🚫 Tsy misy fanamelohana…
Efa nahatsapa ny vesatry izany hoe fiampangana ve ianao? Na amin’ny alalan’ny feon’ny fieritreretanao, na amin’ny alalan’ny hafa…
Ny ankizy dia manana fahazarana hampifantoka ny saina any amin’ny fahadisoan’ny hafa. Tsaroako fony aho mbola kely dia nisy teny manokana nampiasanay tany am-pianarana ho an’ireo ankizy izay nanana fahazarana miampanga ny hafa: nantsoinay hoe “Mpitati-bolana” izy ireo.
Tamin’ny resadresakay nandritra ny fakan-drivotra, dia matetika izahay no nandre ny andian-teny hoe “ianao ilay mpitati-bolana”, ary koa ireo fehezanteny mahazatra tamin’ny fahazazana toy ny hoe “Tsy namako intsony ianao”. Fiainana re izany! Sa tsy marina izany ? =)
Raha ny marina, ny fiampangana dia zavatra iray miatomboka amin’ny kilalao ho an’ny ankizy. Lasa olana lehibe anefa izany rehefa mihalehibe izy.
Ny fiampangana sy ny fanamelohana dia fitaovam-piadian’ny fahavalon’ny fanahintsika, izay mety hisy fiantraikany amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainantsika. Koa tsy maintsy mianatra mampiasa ilay fiadian’ny fahamarinana izay napetrak’Andriamanitra eo an-tanantsika isika.
Hoy ny Baiboly: “Ary amin’izany dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy.” ( Romana 8:1).
Eny, ry namako, tsy misy toerana eo amin’ny fiainanao ny fiampangana sy fanamelohana! Efa nisy nisolo ny vidiny ho anao.
Mandritra ity herinandro ity dia hizara fanalahidy maromaro aho izay hanampy anao hiady amin’izy ireo amin’ny fomba mahomby, mba hahafahanao mijoro ho matanjaka amin’ny maha-izy anao izay nomen’Andriamanitra anao. Vonona ve ianao ?
Mivavaka aho mba hanananao tontolo Andro mahafinaritra eo anatrehan’Andriamanitra.