🚪Mandrosoa, aza mijanona eo am-baravarana
Ny fotoana iray tena nanamarika ahy indrindra momba ny fahafatesan’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana dia tamin’ilay nitritra nizara roa ny
voalin’ny Tempoly.
Hoy ny Baiboly : « Ary ny efitra lamba tao amin’ny tempoly dia triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany ». (Marka 15 :38). Io efitra lamba io dia maneho ny fisarahana ny toerana masina sy ny toerana masina indrindra, izay ny mpisoronabe ihany no afaka miditra ao indray mandeha isan-taona.
Tao amin’ny rafitry ny mpisorona tamin’izany fotoana izany dia tsy mora ny mahazo alalana ao amin’ny fanatrehan’Andriamanitra. Betsaka ny sakana ary noho izany indrindra dia misy lamba lehibe manakana ny olona tsy hiditra na hahita izay ao ambadika.
Ny fahotana sy ny safidy diso nataon’ny olona dia vao may niteraka sakana tsy nahafahana niditra tao. Natsahatr’i Jesosy anefa izany fomba izany. Tamin’ny fahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana no nentiny teo Aminy ny fahotanao rehetra, ny tsy fahatokisanao sy ny tahotrao rehetra. Tiany ho afaka ianao mba ahafahanao manatona an’Andriamanitra malalaka.
Nandriatra ny voaly izay nampisaraka antsika, avy any ambony sy ambany sy avy any an-danitra sy ety an-tany Izy.
Noho izany dia afaka miditra tanteraka amin’ny Fanatrehany ianao izao ary afaka manana fifandraisana lalina sy am-po amin’ilay Andriamanitra velona.
Ry namako, midira tsy misy tahotra ho eo amin’ny Fanatrehan’Andriamanitra anio! Aza mijanona eo am-baravarana, mionona amin’ny fanandratana vavaka vitsivitsy mahazatra. Fa mankanesa eo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra, ary aoka ny Fitiavany sy ny Heriny hameno ny fiainanao, anio!
Zanaka tiana ianao. Ary amin’ny maha zanaka anao indrindra dia asaina ianao hiseho eo anatrehan’ilay Rainao izay any an-danitra anio. Aza ampiandrasina Izy ! =)