🚨 Mijanona amin’ny lala-marina!

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🚨 Mijanona amin’ny lala-marina!

Noresahintsika faraparany teo ny maha zava-dehibe ny finoana sy ny faharetana, mba hanosika antsika ho resy lahatra tsara ny amin’ny teny fikasan’Andriamanitra.

Anio isika dia hiresaka momba ny fankatoavana, fitaovana iray manan-danja hahafahana misitraka ireo fanomezan-toky tanterahan’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika.

Ny Baiboly dia manao hoe :”Fa tokony hanana faharetana ianareo mba hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra.” (Hebreo 10 : 36)

Rehefa misafidy ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra isika, tsy miovaova sady maharitra, dia mizotra mankany amin’ny lalan’ny fiovana izay noresahintsika omaly isika.

Ity lalana ity dia mety haka fotoana maharitra na vetivety vao ho tonga any amin’ny toerana tadiavintsika, izay mety ho lava na fohy… Saingy azontsika antoka fa ho tonga any isika amin’ny farany. Ary ny mahafinaritra dia ny hamolavolana sy hampandrosoana antsika mandritra ity dingana ity.

Na izany na tsy izany aza, araka ny hitanao amin’io andinin-tsoratra masina io, ny fepetra ahazoana ireo fampanantenana ireo dia ny mijanona ao amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Ny manalavitra ny drafitra napetrany no manakana antsika tsy hisitraka izany!

Tsy midika akory izany hoe tsy maintsy tonga lafatra ianao : samy manao hadisoana daholo isika tsindraindray, ary fantatry ny Tompo izany. Fa eto aho dia mampahafantatra ny amin’ny toe-po izay :

  • Mitady ny hahafaly an’Andriamanitra amin’ny fony manontolo.
  • Mikatsaka ny hotarihan’ny Fanahiny.
  • Mihaino tsara mba hamantarany ny hadisoany.
  • Tsy te hanalavitra na indray mipi-maso an’Andriamanitra.
  • Mitady fatratra ny hanarina ireo hadisoany ary hitombo ao amin’ny Tompo.

Mety hanao hadisoana izay olona izay, fa hiaiky izany izy, ka dia hanarina sy handroso hatrany amin-kery…
Ary sahy aho ny milaza fa handray ireo teny fikasan’Andriamanitra izy, amin’ny fotoanany.

Ry namako, aza mitsahatra mihitsy ny manao ny sitrapon’Andriamanitra! Azonao raisina avokoa ireo fampanantenana rehetra ataony aminao, anio…

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!