🚨 Fakam-panahy re ‘zao !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🚨 Fakam-panahy re ‘zao !

Nisaintsaina karazana paikady maro ny fahavalo handravana ny fiainantsika ary ampiasainy manokana amin’izany ny fakam-panahy ahatratrarany ny tanjony.

Hatry ny fony mbola kely dia voasintona handeha amin’izay voarara isika. Inoako fa efa samy nahatsapa herinaratra isika rehefa nikasika ny tsatoka na dia efa notenenin’ny ray aman-drenintsika tsy hikitika izany aza, efa impolo kely!)

Anisan’ny vokatry ny fahalavoan’ny natiorantsika izany.  Hoy ny Baiboly hoe “fa samy alaim-panahy ny olona, raha tarihin’ny filany sy fitahiny izy.” ( Jakoba 1:14)

Ny hevitra fonosin’io andalana io dia tena mahaliana. Jereo ange ny teny ampiasaina e : 

  • Filana : tsy hoe izay filan’Andriamanitra na ny izay apetraky ny fahavalo anatintsika fa ny filantsika izay mivaona amin’ny sitrtapon’Andriamanitra.
  • Tarihin’ny filana : tena mampitsiriritra izy ireo ary lasa inoantsika fa tsy azo lavina. Manjary lasa izany no zavatra iray hifantohantsika ka toa lasa ivon’ny zava-drehetra. 
  • Fitahiny : zary mandresy lahatra izany ka manosika antsika hanao izany, mitarika antsika ary lasa manota isika.

Rehefa tratry ny fakam-panahy isika dia lasa inoantsika fa tsy azo ihodivirana izany ary tokana ny safidintsika dia ny hilavo lefona, nefa lainga izany ! Ao amin’i Jesosy no hananantsika fandresena amin’ny endrika fahotana rehetra sy ny fakam-panahy. Ary tsy resaka fotsiny izany fa efa niainako imbetsaka teo amin’ny fiainako !

Ry namako, ao amin’i Jesosy ny fahafahana ! Voafatotry ny fahotana noheveriko ho sarotra avotsitra aho kanefa dia nanaraka dingan’ny fanafahana tsara ary tafavoaka tamin’izany aho. Ary ny tena nahafinaritra dia nandritr’izany dingana nolalovana izany dia nifantoka tamin’ireo fanalahidy izay namela ahy hibata ny fandresena tamin’ny planin’ny aizina aho.

Fanalahidy tiako zaraina aminao izany mandritry ny andro manaraka. Tsy fantatro raha voasedra matetika amin’ny fakam-panahy ianao, na misy olom-pantatrao toy izany…fa mandritry ny andro manaraka eto dia maniry hanafaka anao amin’ny fakam-panahy amin’ny fiainanao aho.

Vonona ve ianao hanomboka ny andro amin’ny fahatsapana fahafahana amin’izany zioga izany?

Hanao zavatra sarobidy amin’ny fiainanao Andriamanitra !

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!