🚧 Miasa Andriamanitra sa mitsahatra ?🏖

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🚧 Miasa Andriamanitra sa mitsahatra ?🏖

Indraindray ny andraikitra andavanandro, miaraka amin’ireo olan’ny fiainana dia mahatonga antsika hahatsapa harerahana ka te handeha eny amoron-dranomasina hisitaka ny zavatra rehetra. Efa nanjo anao ve izany ?
Ary raha hoy aho aminao hoe misy fomba tsara kokoa handaminana ny fihetseham-pontsika noho ny mankeny amoron-dranomasina ? Tsy iadian-kevitra fa Andriamanitra no ohatra tsara indrindra ho antsika. Jesosy namaly ireo Jiosy hoe : « Ny Raiko dia miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa » (Jaona 5:17). Tsy manana ora fiasana Andriamanitra ary tsy mitsahatra, fa mitohy miasa sy mikatroka eo amin’ny fiainantsika isan’andro, isa-minitra. Ary tsy eo amin’ny fiainantsika ihany fa eo amin’izao rehetra izao.
Afaka milaza ve àry isika fa tsy mitsahatra Andriamanitra ? Tsia, mifanohitra amin’izany aza. Raha ny marina dia milaza ny Baiboly fa nitsahatra tamin’ny Asany rehetra Andriamanitra tamin’ny andro fahafiton’ny fahariana ary “vita hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao ny Asany” (Hebreo 4:3-4).
Noho izany, mety te hanontany ahy ianao hoe : « Fa miasa àry ve Andriamanitra sa mitsahatra ?”. Miasa Andriamanitra ary mitsahatra, maniry antsika koa Izy hianatra hiasa sy hiaina ao anaty fitsaharana tahaka izany. Izany mihitsy no hodinihantsika anatin’ny andro vitsivitsy : ahoana no hidirantsika ao amin’ny fitsaharan’Andriamanitra marina, na dia feno tsara azy ny fiainantsika andavanandro ?
Vonona ny hiditra amin’ny fitsaharan’Andriamanitra ve ianao ry namako ? Hivavaka isika : “Tompo o ! Misaotra Anao aho mitia ahy sy manome ahy ny Fitsaharanao, ilay fitsaharana tsy azon’iza n’iza ankoatra Anao omena ahy. Ambarao ahy ny fomba tsara kokoa ahitako ny Fitsaharanao mandritra ity herinandro ity, ary ampianaro aho hiaina izany amin’ny andro rehetra iainako. Misaotra Tompo o ! Amin’ny Anaran’i Jesosy. Amen !
Ankafizo ny anio !

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!