🚧 Atsaharo dieny izao!

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🚧 Atsaharo dieny izao!

Handeha hojerentsika miaraka ilay fakam-panahy voalohany hita ao  amin’ny Baiboly : “Ary hitan-dravehivavy fa tsara ho fihinana ny hazo sady mahafinaritra ny maso ary hazo mahatsiriritra hampahahendry, dia nanotazany ny voany ka nihinanany; ary nomeny koa ny vadiny; ka dia nihinana izy.” (Genesisy 3:6).

Niresaka tamin’ny fahavalo i Eva (zavatra tsy tokony atao mihitsy …), ary nanomboka teo dia nisy zava-mitranga maro tao am-pony. Io ohatra io dia maneho tsara ny zava- mitranga matetika ao anatintsika rehefa tonga ny fakam-panahy :

  • Hitany : nibanjina ny voankazo izy satria fantany fa noraran’Andriamanitra izany. Efa nisy io voankazo io taloha, ary tsy nanintona azy mihitsy izany. Saingy taorian’ny fifanakalozan-dresaka nataony tamin’ny fahavalo, dia nanomboka nijery izany izy, ary nanomboka nahatsapa fa mahafinaritra sy mampitsiriritra izany.
  • Noraisiny izany : nanakaiky hatrany izy mandra-pihazonany ny voankazo teny an-tanany. Tamin’izay fotoana izay dia nanjary ivon’ny fieritreretany rehetra ilay voankazo. 
  • Nihinana izy : Ary
 mazava ho avy fa tsy maintsy niafara tamin’ny fihinanany ilay voankazo.

Oviana i Eva no lavo? Ny fiandohan’ny fahalavoana dia nitranga rehefa nibanjina ny fakam-panahy ny masony. Hatramin’ny fotoana nanombohany nifantoka tamin’ilay voankazo voarara, nandinika sy naka sary an-tsaina izany, naniry izany
 ary nizotra ho azy ny zava-drehetra mba ahafahany maka sy mihinana ilay voankazo : noho ireo trangan-javatra maro nifanesy dia tsy maintsy tonga tamin’izay ny fiafarany.

Izaho manokana dia efa niaina fakam-panahy toy izany, izay efa noresahiko taminareo. Niady mafy tao an-tsaiko aho mba tsy ho latsaka tamin’ny fahotana iray. Nivavaka sy nanohitra aho, saingy arakaraky ny niezahako nanohitra an’io fahotana io no vao mainka nalaim-panahy aho… ary tamin’ny farany, dia lavo ihany aho. Tena nalahelo aho !

Isaorana ny Tompo fa indray andro dia nampahafantariny ahy ny ampahany amin’ny vahaolana amin’izany : tsy maintsy mamily ny masoko amin’ny fakam-panahy aho ! Izao no nataoko tamin’izay : rehefa nanomboka nahatsapa aho fa misy fakam-panahy mitady hamely ahy, dia tsy noraharahiko tanteraka ireo eritreritra ireo. Nanomboka nieritreritra momba ny Lanitra aho, momba ny drafitr’Andriamanitra ho an’ny fiainako, momba ireo zavatra tsy maintsy nataoko tamin’iny andro iny ho an’ny asa… Fantatrao ve ny nitranga ? Fotoana fohy taorian’izay dia nanjavona ilay fanerena, ary tsy tsapako intsony ny faniriana ho latsaka ao anatin’io fahotana io. Tsy nampino fa tena nandaitra izany !

Ry namako, avilio ny fijerinao ! Ny fakam-panahy dia manankery aminao ihany rehefa mibanjina izany ny masonao. Rahampitso dia handalina bebe kokoa an’io lohahevitra io aho, fa anio, raha sendra fakam-panahy ianao dia afaka manomboka mampihatra izany torohevitra izany. Diovy ny eritreritrao ary mifantoha amin’ny zavatra hafa. Ho hitanao ny fahombiazany ! 😉

Ato am-poko sy anaty vavako ianao.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!