🚦Nahazo alalana ve ianao ?
Ny fiadanana dia tahaka ny jiro ara-panahy.
Efa nisy fotoana ve ianao te hanao zavatra, nefa noho ny antony maro, tsy mahatsapa fiadanana ianao ao anatin’ny fonao hanao izany?
Ny fisainanao milaza hoe “eny”, ny fihetsem-ponao manambara hoe “eny”, nefa ohatra ny misy zavatra tsy ampy izany. Mety efa imbetsaka angamba ianao no nilaza an’ity fomba fiteny ity hoe : “Tsy mahatsapa fiadanana aho ao anatin’ny foko hanao an’io zavatra io.”
Raha ny amiko, efa imbetsaka aho no tratran’izany, fa ny tena miharihary tamin’izy rehetra, dia ny fihaonako tamin’ny vadiko.
Kisendrasendra no nifankahitanay (hitanao ilay fihaonana tsy nampoizina avy amin’Andriamanitra =), ary tsikelikely dia nisy fifandraisana manokana teo aminay.
Anefa tao anatin’izany dia maro ny zavatra tsy mampitovy anay.
Tadidiko aho indray alina, nivavaka mafy momba an’izany : “Tompo o, izy ve ilay tovovavy nomaninao ho ahy? Afaka manomboka miaraka ve izahay?”
Tsy te ho diso fanapahan-kevitra mihitsy aho. Rehefa nivavaka adin’ny iray mahery aho, nanamborahako ny foko teo anatrehan’Andriamanitra, dia nahatsapa fiadanana miavaka tao anatiko aho. Mihoatra ny natoraly ary fifaliana izany fiadanana izany!
Fantatro hoe nahazo alalana avy amin’Andriamanitra aho, ary eo ampelatanan’ny Tompo ny zavatra rehetra. Ary andro vitsy tao aorinan’izay, dia nanomboka ny fiarahanay izahay.
Na dia teo aza ny fanamby rehetra natrehanay nandritra ny taona maro, dia nahatsapa izany fiadanana sy fitahian’Andriamanitra izany foana izahay, tamin’ny antsipiriany rehetra. Sarobidy loatra izany!
Izany no lazain’ny Baiboly : “Hihaino izay holazain’i Jehovah Andriamanitra aho; Fa hilaza fiadanana amin’ny olony Izy, dia amin’ny olony masina; Koa aoka tsy hiverina ho ao amin’ny fahadalana ireo.” (Salamo 85.9)
Ry namako, miresaka aminao amin’ny alalan’ny Fiadanany Andriamanitra. Rehefa vonona hihaino Azy ny fonao, dia miresaka aminao Andriamanitra ary manome anao fahazavana misimisy ny amin’ny dingana tokony ataonao. Mampiseho aminao izay tsy avy Aminy Izy, ary manone anao ny Fiadanany amin’ny safidy izay mifanaraka amin’ny Sitrapony. Tsy mahafinaritra ve izany?
Anio aho dia manasa anao haka fotoana hihainoana ny feon’Andriamanitra. Avelao Izy hameno ny fonao amin’ny Fiadanany, ary hanoro anao izay fanapahan-kevitra manaraka tokony horaisinao!