đźš— Manomboka izao dia aza manaraka ny GPS intsony!

PEJY FANDRAISANA | Miracles | đźš— Manomboka izao dia aza manaraka ny GPS intsony!

Tao anatin’ny fiarako aho, avy nanatrika fihaonamben’ny vehivavy izay tena nahafinaritra, tany Avaratr’i Alemana. Ny anadahiko izay nanampy ahy hiandraikitra ny fanamafisam-peo, rehefa nandia ny 760 kilometatra, dia niantso ahy tampoka teo am-pamiliany ny fiarany hoe:

“Nahita famantarana ny fifamoivoizana aho milaza hoe – manomboka izao dia aza manaraka ny GPS intsony! – Efa sendra izany koa ve ianao?”

Avy hatrany dia tonga tao an-tsaiko ny eritreritra hoe : “Tena mba niriako fatratra hatramin’izay ny mba hisian’ny famantarana mazava tsara eo imasontsika”! Mailo tokoa isika mahatsikaritra ireo ahiahy izay te “haka fanahy” antsika. Ilay ahiahy izay te handresy lahatra fa “nanadino” antsika Andriamanitra, ka tsy tokony hanaraka Azy intsony isika, ilay GPS marina indrindra!

Satria raha toa ka tsy tsapantsika intsony ny masony mijery antsika, dia lasa manalavitra faingana ilay lalana nizorantsika tamim-pahatokiana nandritra ny taona maro isika…

Misy ohatra karazana horonan-tsary mihetsika izay tsy hojerenao raha toa ka “tsapanao” Andriamanitra. Mifosa sy manaratsy ny hafa ianao… olona izay mandalo fotoan-tsarotra, eny, fa satria tsy tsapanao intsony Andriamanitra, dia tsy mitady ny hanampy azy ireo akory ianao…

Azonao angamba ny tiako ambara, ry namako?

Amim-pahatsorana ry namako, impiry isika no tsy mba mahatsapa an’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika andavanandro, ka mitarika antsika hanao safidy ratsy, handray fanapahan-kevitra araky ny fomban’olombelona fotsiny…

Ry namako, tapa-kevitra ny tsy hanana ahiahy amin’Andriamanitra ve isika anio, na dia tsy “tsapantsika” ary Izy amin’izao fotoana ankehitriny izao?

Nony avy eo, niteny ahy ny anadahiko hoe : “Nanapakevitra ny hanaraka ny lalana aho, izay mifanohitra amin’ny nolazain’ny GPS. Eny, na dia tsy nahazo nandeha mihoatra ny 30km/ora aza aho, afaka fotoana vitsy, nalalaka indray ny lalana ka dia afaka nivalapatra tsara aho nandeha.”

Ny ahiahy dia miserana ihany, fa ilay Andriamanitra izay tia anao dia Mandrakizay… mitady izay hahasoa anao Izy!

“Hoy Jesosy taminy: Satria nahita Ahy ianao, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino.” (Jaona 20:29)

Fahagagana ianao!

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!