🙏 Izao vavaka izao… dia hanova ny zavatra rehetra
Nandritra ny taona maro dia nonina tao amin’ny trano nofaina izazy mizarazara efitra maromaro aho. Ilay tompony, rangahy lehibe ary havanana amin’ny resaka fikojakojana dia nijoro efa ho andro sy alina eo amin’ny fidirana. Fantany tsara rehefa hivoaka aho, rehefa hisy olona hamangy, na koa rehefa reraka avy nandeha lanonana. Tsy misy tsy fantany avokoa izany!
Indray andro, nisy olana tampoka ny hidin-tranoko, fantatro tsara hoe ampahafanatariko azy fotsiny izany dia hokarakarainy io. Saingy… “Tsy tena nazoto hanao izany aho”. Efa sendran’izany koa ve ianao ry namako?
Na dia tsotra be aza ilay vahaolana, naleoko indray nizaka fotsiny ilay olana toy izay nizara izany taminy. Tsoriko fa natahotra aho sao handefasany faktiora, tahaka ny hoe “Hadisoako ilay izy”.
Ry namako, ny Baiboly dia milaza fa Andriamanitra dia “Andriamanitra Izay mahita;” (Genesisy 16:13). Andriamanitra mahita anao Izy! Ary fantany tsara avokoa izay rehetra momba anao. Mivaky toy izao ny ao amin’ny Salamo 139:1 : “Jehovah o, efa nandinika ahy Ianao ka mahalala ahy.”
Koa satria ilay tompon-trano dia mijoro lalandava eo amin’ny fidirana, dia tahaka izany koa, Andriamanitra tenany dia mijoro mandrakariva manoloana ny fiainanao, ny “fidirana sy fivoahana” ataonao ny mankarary sy mampiahiahy anao. Raha ny marina, inona no manakana anao tsy hamela Azy hiditra an-tsehatra ry namako?
Ny hany sisa ataonao dia ny mampahafantatra Azy, mba hikarakarany izany… ankoatra izay, tsy misy resaka faktiora ny miaraka amin’Andriamanitra, satria efa voavidy izany! (Jereo I Petera 1:18-19)
Tsy tokony hampatahotra anao ny lamandy raha efa hatry ny ela no voaloa daholo.
“Na mizaka irery ny olanao ianao, na manatona ilay efa nandoa ny vidiny. “
Ry namako, te hanavao ny fatokisanao an’I Jesosy ve ianao ankehitriny, amin’ny hanoloranao Azy ny olanao, hatramin’ny fiainanao manontolo? Afaka miresaka Aminy ianao izao, satria fantany tanteraka ianao, hitany, ary tiany na manao ahoana na manao ahoana!
Raha maniry izany ianao, dia hiaraka hivavaka isika : “Jesosy Ă´, misaotra Anao mahita sy mitia ahy na manao ahoana na manao ahoana! Mifona Aminao aho ny amin’ny hadisoana rehetra vitako. Indro ny foko. Tapa-kevitra aho fa hiaina tanteraka miaraka Aminao sy ho Anao! Anao manontolo aho! Amen”.