🙏 Angataho izay tianao !
Tianao ve raha mivaly avokoa ny vavakao rehetra ? Iza no tsy haniry izany ? =)
Alaivo sary an-tsaina kely anie hoe mafy orina ny fifandraisanao amin’Andriamanitra, ka hilaza aminao amim-pahatokiana tanteraka Izy indray andro any hoe : “Angataho Ahy izay tianao na inona na inona, dia homeko anao izany.” Waouh ! Azonao sary an-tsaina ve ?
Andeha hojerentsika ny tenin’i Jesosy ao amin’ilay toko hodinihantsika anio : “Raha miray amiko hianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany” (Jaona 15:7).
Mahavariana ahy foana ary nahakasika ahy io andinin-teny io, indrindra rehefa nitaona antsika i Jesosy mba hangataka “IZAY ZAVATRA REHETRA TIANTSIKA”. Tsy miteny amintsika Izy mba hangataka zavatra sasatsasany, na izay ilaintsika fotsiny. Tsia ! Afaka mangataka “izay tiantsika rehetra” isika.
Ity andalan-tSoratra Masina ity dia mampahatsiahy ahy ny tenin’ny Salamo nataon’i Davida manao hoe : “Miravoravoa amin’i Jehovah ianao, dia homeny anao izay irin’ny fonao.” (Salamo 37:4). Ireo andalana roa ireo dia misy zavatra itovizany : fifandraisana, fiombonana, faharetana, fifaliana. Rehefa mahita fialofana sy ny faniriana ao amin’Andriamanitra ny fonao, dia misy zavatra manokana miseho : tsy mijanona ho foto-kevitra tsotra fotsiny Andriamanitra, fa lasa zava-misy marina aminao IZY. Amin’izay fotoana izay no ahitana ny finoanao manontolo, ary mety hisy fahagagana ho tonga isan’andro.
Ry namako, irin’Andriamanitra ny hanome anao izay angatahin’ny fonao ! Ary mihoatra noho izany aza, maniry Izy ny mba ho fototry ny fangatahanao, mba ho faniriana lalina indrindra ao anatinao. Rehefa manana Azy ianao dia manana ny zava-drehetra, ary ny zavatra hafa rehetra ankoatr’izay. Eny, hanaraka ho azy ny ambiny !
Koa mihazakazaha any amin’izany lalana izany anio, ary ankafizo ny fanomezana lehibe indrindra : ny fifandraisana Aminy isan’andro, ny dingana rehetra amin’ny fiarahana miaraka Aminy.