🙏🏻 Mivavaha ary miasà ! 💪🏻
Nandritra ny taona maro, dia niasa tao anatin’ny hazakazaka tsy tapaka aho, saika tsy tsy misy fijanona. Manana tetikasa sy hevitra foana aho eo andalam-panantanterahana, kanefa, amin’izany fotoana izany, tsy mahatsapa aho hoe mandreraka ahy izany. Fantatrao ve ny antony ? Satria nianatra niasa sy namolavola ny asako rehetra aho tamin’ny fangalana hery ao amin’Andriamanitra. Ny fotoana laniko amin’ny fahanginana isa-maraina, eo anatrehan’Andriamanitra, dia manome ahy hery, fifantohana, ary fahasoavana hahatanteraka izay rehetra tokony ataoko, sady mahatsiaro fitoniana ao anaty.
Hoy ny Baiboly: “Koa ianao, anaka, dia mahereza amin’ny fahasoavana izay ao amin’i Kristy Jesosy.” (2 Timoty 2:1 ). Rehefa miezaka ny handray andraikitra amin’ny herintsika manokana isika, dia mora ny latsaka ao anatin’ny fandrika izay mangalatra ny fiadanantsika, ny fifaliantsika, ary mahatonga antsika ho reraka. Saingy, rehefa manana ireo fotoana fialan-tsasatra sy mangina miaraka amin’Andriamanitra ireo isika, indrindra fa ny maraina, dia afaka manatanteraka ny asantsika rehetra sy manatanteraka ny andraikitsika mandritra ny tontolo andro, ao anatin’ny hery vaovao tanteraka.
Tian’Andriamanitra hiasa sy hanome izay rehetra anananao ianao, fa indrindra tiany hanao izany araka ny tokony ho izy ianao, miaraka amin’ny fiadanany ao am-ponao sy ny fitahiany. Te hangataka Aminy ve ianao mba hanampiany anao hanao izany? “Tompo ô, ampio aho mba ho mazoto tokoa, hiady miaraka amin’ny herinao, amin’ny fahasoavanao, amin’ny fahendrenao, fa tsy amin’ny heriko maha olombelona ahy ihany. Havaozy isan’andro ao Aminao aho, ary hanatanteraka ny andraikitro rehetra miaraka amin’ny fitsaharanao ato am-poko. Amin’ny anaran’i Jesosy. Amen!”
Mahereza sy mahatanjaha ry namako.