🙌 Misy fanantenana velona !
Efa nisy fotoana ve ianao nanantena fa hisy trangan-javatra amin’ny fomba iray, saingy ny fiafarany dia tsy araka izay noheverinao ny zavatra niseho? Ny tena manahirana dia rehefa misy fiantraikany amin’ny hafa izany.
Tadidiko fa rehefa naniry hivady izahay, dia niandry tamim-paharetana ny taratasy fahazoan-dalana. Rehefa nandalo olana maromaro izahay dia nahatonga fahatarana tamin’ny fikarakarana izany, indray andro dia nahatsikaritra aho fa ny iray amin’ireo daty dia efa lasa, ka nahatonga anay namerina hatramin’ny voalohany indray ny dingana rehetra … Kivy tanteraka aho tamin’izany ! Nivavaka tamin’ny Tompo aho mba hanaovany fahagagana, ary soa ihany fa tamin’ny farany dia nilamina ihany ny zavatra rehetra.
Rehefa mandalo fotoan-tsarotra, dia lasa mora mahatsapa ny tsy fahombiazana, na menatra mihitsy aza tamin’ny tsy nanaovana zavatra tsara kokoa. Kanefa ry namako, tiako ny mamporisika anao mba tsy hamela ny tenanao ho resin’ireo fihetseham-po ireo. Miantso anao ho amin’ny fiainana feno fanantenana Andriamanitra, araka ny voalazan’ny Baiboly hoe : “ary ny fanantenana dia tsy mampahamenatra…” (Romana 5:5)
Na dia ao anatin’ny fotoan-tsarotra indrindra aza dia manana fanantenana velona ao amin’Andriamanitra ianao. Afaka manova ny toe-javatra iainanao sy manova izany Izy, toy ny tsy fahombiazanao sy ny fahadisoanao. Eny, fa fantatr’Andriamanitra fa ny fiarahan’ny zavatra rehetra miara miasa hahasoa anao amin’ny farany (Romana 8:28). Saingy tsy afaka ny hitranga izany raha tsy mametraka ny zava-drehetra ho eo Aminy ianao, anisan’izany ny tsy fahombiazanao sy izay rehetra mahamenatra anao, ary ihany koa misafidy ny hatoky Azy ianao.
Ry namako, avelao ny tenanao ho feno fanantenana anio ! Miasa eo amin’ny fiainanao Andriamanitra, ary mbola hanao izany Izy, aza misalasala.
Noho izany, “Mitsangà na, mihazavà , fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitr’i Jehovah efa miposaka aminao.” (Isaia 60:1).
Noho izany, manomboka anio, esory ny henatra rehetra sy izay manakana anao amin’ny lasanao. Mihazakazaha ho amin’ny fiainana vaovao omen’Andriamanitra anao isan’andro.
Mitondra anao am-bavaka aho !