🙌 Eo akaiky eo Jesosy
“Maro ahina sy maro herehina hianao…” (Lioka 10:41)
Mahakasika anao ve izany ry namako ? Moa ve ianao anaty tahotra sy fanahiana amin’izao fotoana izao ? Tsy mahagaga ahy izany raha ny zavatra hita ety amin’izao tontolo izao.
Efa nisy fony Jesosy tety an-tany sy “teo akaiky teo” anefa ny ahiahy toy izany. Vitsy ireo nahatsapa ny lanja MAHATALANJON’ny fanatrehany.
Rehefa tsapanao izany, dia ho takatrao fa “azo tsapain-tà nana” Jesosy.
Teny an-dalana niaraka tamin’ireo mpianany Jesosy ary nasain’ny vehivavy iray antsoina hoe Marta, izay nanana rahavavy dia i Maria izany.
Hitantsika ao anaty Baiboly fa « Maria dia nipetraka teo anilan’ny tongotry ny Tompo ka nihaino ny teniny. Fa Marta sahirana tamin’ny fanompoana be » (Lioka 10:39b-40). Nikarakara tsara ireo olona nasainy izy !
Voatery nanopy fijery feno fahagagana tany amin-drahavaviny i Marta ary nanontany ny antony tsy hanampiany azy !
Fantatrao ve ny navalin’i Jesosy ry namako ? : “Marta, Marta, maro ahina sy maro herehina hianao; nefa zavatra iray loha no ilaina; fa Maria no efa nifidy ny anjara tsara, izay tsy halaina aminy”. (Lioka 10 :41-42)
Zavatra iray ihany no ilaina rehefa anaty ahiahy ianao : “Mitoera eto an-tongotro eto akaiky eto aho”.
Voamarikao ve fa i Marta no nanasa an’i Jesosy ho ao an-tranony ? Noho izy varian’ny fikarakarana maro, dia tsy nahatratra ny fanatrehan’i Jesosy sy ny fitsaharana teo an-tongony izy !
Mety ho nanasa an’i Jesosy ho eo amin’ny fiainanao koa ianao, saingy gaga fa tsy miaina ny fiadanam-pony. Mitoetra eo an-tongony ve ianao ? Mihaino Azy ve ianao ? Sa miandry Azy hanao ny asany (manampy anao, manasitrana anao, sns…) sady manohy ny hazakazakao andavanandro ihany ?
Ry namako, intelo voaresaka ao anaty Baiboly ny momba an’I Maria ary intelo izy nitoetra teo an-tongony sy nihaino Azy ! Ary hoy I Jesosy momba azy : “Fa I Maria no nifidy ny anjara tsara…” (Lioka 10:42).
Tsara kokoa ny miala sasatra eo an-tongotr’i Jesosy noho ny mihazakazaka manaraka ny tadion’ny fiainana !
Izay mitsahatra eo amin’i Jesosy no handeha lavitra kokoa hatrany.
Misaotra misy !