🙌🏻 Ny vavaka tao amin’ny efitra ambony
Ny nanamarika ny fiandohana ofisialin’ny fiangonana, araky ny hitantsika ao amin’ny toko faharoan’ny Asan’ny Apostoly dia ny nilatsahan’ny Fanahy Masina izay nameno ny mpianatra tao amin’ny efitra ambony.
Fotoana tena niavaka io ka na ny fitondran-tenan’ny mpianatra aza dia niova tanteraka hatrany ifotony. Avy amin’ny toetra niafinkafina sy tsy te ho hita izy ireo no nivadika feno fahafenoana ka tsy afaky ny nangingina intsony.
Nisy fiantraikany tamin’ny rehetra io fotoana io ka na ireo nahita dia nilaza toy izao hoy ny Teny hoe: “Dia talanjona sady gaga izy rehetra” (Asa 2:7) raha nahita ny herin’Andriamanitra sy ny fisehon’izany teo amin’ny mpianatra.
Mialohan’io fotoana io dia afaka hitantsika ao amin’ny toko teo aloha fa nofaritana fa ny mpianatra sy ireo tao amin’ny efitra ambony dia “niray saina naharitra nivavaka…” (Asa 1:14)
Ny vavaka no namotsotra ny herin’Andriamanitra tamin’ny fomba miavaka ka nitondra fiantraikany teo amin’ny rehetra na ireo izay tao amin’ny efitra ambony na ny olona sisa!
Ny vavaka no fanalahidy namela azy ireo hanokatra ny fony amin’Andriamanitra ary hiaina ny herin’Andriamanitra amin’ny fiainana mihoatra noho ny hatrizay.
Ry namako, ny vavakao dia miteraka fiantraikany goavana, eo amin’ny fiainanao sy eo amin’ny manodidina anao. Ary io fanalahidy io dia mbola miasa ankehitriny tahaka ny tamin’ny roa arivo taona lasa rehefa nandray ny fahafenoana avy amin’Andriamanitra ny mpianatra.
Anio no tokony hivavaka amin’ny hafanam-po, miaraka amin’ny finoana rehetra mandra-piainanao fihaonana Aminy vaovao indray. Inoako fa ny vavaka mahery dia hisy fiantraikany amin’ny fiainanao sy ny manodidina anao!