🙌🏻 Nivavaka ho anao aho…

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🙌🏻 Nivavaka ho anao aho…

Raha misy zavatra iray tena nampiavaka an’i Petera ao amin’ny Soratra Masina dia ilay toetrany somary entim-po, ary indraindray dia mandray fanapa-kevitra tsy voahevitra. Tamin’i Jesosy nilaza tamin’ny Mpianany fa hosamborina ary hombohina amin’ny hazo fijaliana Izy no tena nahitana mazava tsara an’izany.

Tamin’ny fikasana tsara sy tamin’ny fahatsoram-po no namalian’i Petera an’i Jesosy hoe : “Na dia ho tafintohina noho ny aminao aza ny olona rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina mandrakizay.” (Matio 26:33). Ary mbola nanamafy sy namerimberina izany tamin’ny Tompo izy taorian’izay : “Na dia hiara-maty aminao aza aho, tsy mba handĂ  Anao tokoa aho.”( Matio 26:35).

Ry namako, efa nanao fampanantenana tamin’Andriamanitra ve ianao fa hanao na tsy hanao zavatra iray… nefa tsy tanterakao izany tamin’ny farany ?

Indraindray isika dia tsy ampy fahendrena amin’ny fiarahantsika amin’ny Tompo. Izany no antony tsy maintsy ianarantsika hihaino izay tian’Andriamanitra holazaina amintsika sy hanao izay zavatra araka ny Sitrapony. Izany dia hisakana antsika tsy ho latsaka ao anatin’ny fahadisoana na fifanoherana izay handrava antsika.

Tsy nanam-pahendrena nihaino izay nolazain’i Jesosy taminy i Petera, ka nitomany mafy tamin’ny farany rehefa nahavita izay tsy noeritreretiny hatao : ny nandà an’i Jesosy.

Angamba ianao koa mitomany mafy na malahelo rehefa mieritreritra ny fotoana tsy nahombiazanao tamin’ny fiarahana amin’Andriamanitra sy ny tsy nanananao fahendrena nihaino Azy.

Fa anio kosa dia tiako ny hitsangananao amin-kery sy fifaliana nohavaozina, satria io hafatra nomen’i Jesosy an’i Petera io ihany no tononiny aminao hoe : “Nefa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao; ary rehefa mibebaka ianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao…” (Lioka 22:32).

Te hanangana ny finoanao Izy anio, satria Izy no Lohan’ny finoana (Hebreo 12:2). Izy no mameno finoana anao amin’izay hataon’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao. Tsy tezitra aminao Izy : Tena tia anao Izy, ary mitady hamerina anao amin’ny fitiavana voalohany Izy, mba hahafahanao mitondra izany fanavaozana izany amin’ireo manodidina anao.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!