🙌🏻 Natolotr’Andriamanitra anao ny ainy!
Efa nanao fitiliana ra ve ianao tatoato? Fantatrao ve fa ny ra no singa manan-danja indrindra amin’ny vatantsika? Izany no antony tsy maintsy hiarovana azy araka izay azo atao.
Izaho manokana dia tsy tiako mihitsy ny fanaovana fitiliana ra. Tsaroako nisy fotoana iray, taona vitsivitsy lasa izay, tsy maintsy nampiakatra tanan’akanjo aho ary niomana hitsindrona.
Henoko ilay mpitsabo mpanampy niteny hoe : “Mahagaga fa tsy misy rĂ mivoaka”… tao aorinan’izay, ny zavatra farany tadidiko dia izaho taitra teo ambony fandriana, hatsatra ary ny tongotro niantona, niaraka tamin’ny mpitsabo mpanampy roa teo akaikiko, nanontany ahy hoe : efa nahazo aina kokoa ianao izao?” Torana aho satria taitra loatra. Tena nahamenatra ! =)
Tsy atao tsinontsinona ny fanomezana ra. Milaza ny Baiboly fa “Fa ny ain’ny nofo dia amin’ny rà ”. (Levitikosy 17.11)
Rehefa manome ny rantsika ho an’ny olona mila izany isika, azo lazaina fa mizara ampahany amin’ny fiainantsika amin’izy ireo isika, mba hahasitrana azy.
Ry namako, izany indrindra no nataon’i Jesosy. Fantany fa mila fiainana vaovao ianao! Ary izany no tsy nisalasalany nanolotra ny rany sy ny ainy teo amin’ny hazo fijaliana, ho anao.
Eny, nanome ny ainy Andriamanitra mba hahavonjy ny ainao! Sarobidy Aminy ianao, ka natolony ho anao izay sarobidy indrindra Aminy. Tsy manohina ny fonao ve izany?
Anio dia manasa anao manokana aho handray an’i Jesosy eo amin’ny fiainanao, raha mbola tsy nanao izany ianao. Mila fanavaozana, fanovana, fanasitranana ve ianao? Tsy nisalasala Jesosy nanome ny rany sarobidy ho anao ary ho takalon’izany dia inona no atolotrao Azy? Sokafy Aminy ny fonao ary avelao Izy hitoetra ao ho Tompo sy Mpamonjy ny fiainanao.
Andeha hiaraka hivavaka isika: “Jesosy Ă´, misaotra Anao aho noho ny zava-bitanao teo amin’ny hazo fijaliana noho ny fitiavanao ahy. Misaotra anao nisolo ny toerako sy nanome ahy ny ranao sarobidy mba hananako fiainana vaovao be dia be ao aminao. Mandray anao Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy aho, manambara aho fa zanak’Andriamanitra ary mpiara-mandova ao amin’i Kristy. Misaotra Tompo Ă´. Amen!”
Ianao no tanjon’ny fitiavany.