🙌🏻 Mivavaha toy ny zanaka!

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🙌🏻 Mivavaha toy ny zanaka!

Alao sary an-tsaina anie izany fiainana tsy misy ahiahy izany e. Sarotra e, sa tsy izany?
Marina fa tsy maintsy mandalo fotoan-tsarotra foana isika, ary mbola handondona eo am-baravaran’ny fontsika ny karazana fanahiana rehetra, kanefa andeha ho tsarovantsika ity ohabolana sinoa ity izay manao hoe: “Tsy azonao atao ny manakana ny vorona hanidina eo ambonin’ny lohanao, fa azonao atao ny manakana azy tsy hanao akany eo”.
Araky ny hitantsika omaly, dia manana fitaovam-piadiana matanjaka isika entina hiadina amin’ny fanahiana: “vavaka mitafotafo” izany, izany vavaka izany dia toy ny rano mikoriana avy ao am-pontsika mankany amin’Andriamanitra ary manaisotra ny ahiahy rehetra amin’ny lalany.
Anio aho dia te-hifantoka amin’ny antsipiriany iray avy amin’ny andalana miresaka momba ny vavaka mitafotafo. Hoy ny andinin-teny omaly: “Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra…..” (Filipiana 4:6-7).
Tena tiako ilay hevitra eto ! Ny vavaka mitafotafo ataontsika dia mirakitra singa maro, iray amin’izany fanalahidy izany ny fangatahana feno finoana sy ny faharesen-dahatra.
Rehefa maka sary an-tsaina an’izany aho, dia mahita kristiana feno finoana, izay mivavaka “mitafotafo”, ary manomboka manambara ny fampanantenan’Andriamanitra eo amin’ny fiainany manokana sy ny toe-javatra iainany.
Noho ny fahatokiana fa zanak’Andriamanitra, dia manandratra ny vavaka ataony amim-pahatokiana izy, feno finoana, satria fantany fa zanak’Andriamanitra malala izy, ary Andriamanitra dia te hamaly vavaka azy:
Tsy nisy soritra fitarainana teo amin’ny feony. Tsy misy fitalahoana amin’Andriamanitra, toy ny mpangataka mangataka sombin-kanina.
Ary tsy mangataka ny famindram-pony Izy, toy ny hoe Andriamanitra no mpitsara tsy marina araky ny fanoharana… (Lioka 18:1-8).
Tsia. Tsy misy hafa tsy ny fankasitrahana, ny fahatokiana, ny filaminana, ny fifandraisana akaiky, ny fanantenana, ny fifaliana, ny tanjaka… Ireo no toetra hita maso ananan’ny olona iray izay nianatra nivavaka tamin-kafanam-po, ary mangataka amin’Andriamanitra amin’ny finoana feno!
Ry namako, aza mivavaka toy ny mpanompo : mivavaha toy ny zanaka malala!
Anio andeha isika hiaraka hivavaka amin’i Jesosy, ary hangataka Aminy amim-pinoana, mahatoky fa te hanao mihoatra noho izay azonao angatahina sy irinao Izy =).
Koa ambarao eo amin’ny fiainanao ny teny fikasan’Andriamanitra, misaora Azy, sokafy ho Azy ny fonao mba hihaino ny feony… ary avelao Izy hanaisotra ny fanahiana eo amin’ny fiainanao!

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!