πŸ™ŒπŸ» Misy tombony lehibe miandry anao !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | πŸ™ŒπŸ» Misy tombony lehibe miandry anao !

Raha ilaina hazavana ny atao hoe “fahafaham-po”, amiko, dia fahaizana mahatsapa fahatanterahana aminΓ  toe-javatra iray. Mino aho fa fomba tsara iray io entina manazava izany.

Eo amin’ny lafim-piainana inona mazΓ na ianao no mahatsapa fahafaham-po ?

Indraindray, misy zavatra tsotra kely amin’ny andavanandro izay tena miteraka fahafaham-po ao anatintsika. Ho anao, mety hoe ny fandehanana tongotra amin’ny maraina, ny asa, ny fanasana lovia alohan’ny handeha hatory, sns.

Ary mety misy lafin-javatra hafa izay itarainanao na ahatsapanao fahatezerana na fandratrana.

Anio, te haka andininy roa amin’ny andinin-tsoratra masina malaza indrindra momba ny fahafaham-po aho. Izao no lazain’izy ireo : “Fa misy tombony lehibe tokoa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra omban’ny fianinana. Fa tsy nitondra na inona na inona ho amin’izao tontolo izao isika, sady hita fa tsy hahatondra na inona na inona hiala.”( 1 Timoty 6:6-7)

Tiko ilay fanazavana entiny fa ny fitambaran’ny fahalalana onona amin’ny fahafaham-po dia “tombony lehibe”! Tsy hoe zavatra tsara sy ankasitrahina fotsiny ihany izany fa tena fitahiana lehibe ho antsika ary mitondra tombony maromaro lehibe. Anisan’izany ireto:

  • Afaka misitraka sahady izay efa ataontsika sy izay efa ananantsika isika, satria isika efa mahatsapa ny fitahian’Andriamanitra.
  • Mifantoka kokoa amin’ny zavatra tena izy, ary tsy adalain’ny zava-poan’izao tontolo izao.
  • Manampy antsika ahatsapa sy ahatakatra ny zavatra eo amin’ny fiainantsika, miaraka amin’ny fahaizana manavaka izay avy amin’Andriamanitra, amin’izay avy amin’ny haizina.

Eny, ry namako, tombony lehibe ho an’ny fiainanao no asehon’Andriamanitra anao rehefa manompo Azy amin’ny fifaliana sy ny fahatsoram-ponao ianao.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!