🙌🏻 Miandry anao ny fitoerana masina!
Oviana no fotoana farany nidiranao tao amin’ny Fanatrehan’Andriamanitra?
Tsaroako fa taona vitsivitsy lasa izay, dia nanomana toriteny momba ny fidirana ao amin’ny toerana masina aho. Ny andalan-teny lehibe indrindra dia ny Hebreo 10:19, izay milaza hoe: “Koa amin’izany, ry rahalahy, satria manana fahatokiana hiditra ao amin’ny fitoerana masina isika noho ny ran’i Jesosy.” Tamin’io fotoana io dia tsy nilamina ara-panahy aho nandritra ny tapa-bolana teo ho eo. Mavesatra ny tao anatiko, tsy nisy fahazavana, ary nanalavitra kely an’Andriamanitra aho. Nazava tamiko fa fanasana ahy hanatona an’Andriamanitra io andalan-teny io, kanefa, tamin’izay fotoana izay, dia nisy ampahany tato anatiko nahatsapa fa tsy vitako izany. Efa nitranga taminao koa ve izany?
Anivon’ny tolona anatiko dia nanapa-kevitra ny hankatò izay voalazan’ilay andalan-teny aho. Nanatona an’Andriamanitra tamin’ny vavaka aho, ary niteny hoe: “Tompo ô, marina fa tena reraka ara-panahy aho nandritra ny andro vitsivitsy, saingy te-hanaisotra izany fihetseham-poko izany aho, ary hiantehitra amin’ny Teninao. Noho izany, hiditra eo amin’ny fanatrehanao aho ary manatona Anao, ankehitriny…”. Tamin’izay fotoana izay indrindra dia nanomboka nahatsapa ny fifalian’ny Tompo indray aho, ary tao anatin’ny iray minitra dia niova ny tontolo rehatra. Waoouh! Tena nahafinaritra!
Ry namako, asaina hanatona an’Andriamanitra ianao dieny izao, ary hohavaozina eo amin’ny Fanatrehany. Hanararaotra izany ve ianao? MamelĂ ahy hivavaka ho anao: “Tompo Ă´, misaotra Anao aho fa nanafaka anay tamin’ny alalan’ny Fanahinao, sy nanome anay fahafahana hanatona Anao isaky ny fotoana. Mivavaka ho an’ny namako aho, mba hanavaozanao ny fiainany amin’izao andro izao, ary manomboka izao dia hahatsiaro malalaka tanteraka izy hiditra eo anatrehanao amin’ny fotoana rehetra. Misaotra Anao aho amin’ny zavatra rehetra. Amin’ny anaran’i Jesosy, amen!”