🙌🏻 Manoatra noho ny mpandresy ianao !
Faly aho hanomboka ity lohahevitra mahaliana ity ary mandritry ny andro manaraka dia afaka hilona anatin’ny fandresena efa azonao tao amin’i Kristy isika.
Tsy aiko eo amin’ny fiainanao ve dia mihevi-tena ho resy ianao manoloana ny tranga misy, na hoe efa zatra fotsiny ka raiki-tampisaka ao am-ponao ny fahatsapana faharesena.. fa raha izany dia maniry ny hanampy anao aho hanova izany anio =)
Ny andinin-tsoratra masina anisany malaza ao amin’ny Baiboly dia milaza tokoa hoe : “ Kanefa amin’izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’ilay tia antsika.” (Romana 8:37).
Tiako loatra ny fanehoan’io andininy io : tsy hoe mpandresy fotsiny isika fa manoatra noho ny mpandresy ! Ao amin’i Jesosy Kristy dia manana fandresena tsy azo sakanana miandry antsika !
Tsy fandresena tsotsotra izany, na fandresena tamin’ny ora farany toy ny mitranga amin’ireny fifaninana ireny…Tsia, ny fandresentsika dia nifototra amin’ny fandresen’i Kristy. Ary ny Fandreseny no lehibe indrindra hatrizay !
Ny tena marina dia raha tohizantsika ny famakiana io andinin-tsoratra masina io dia afaka hitantsika fa mihitatra amin’ny lafim-piainantsika manontolo izany :
- Fandresena amin’ny fahafatesana
- Fandresena amin’ny seha-piainana rehetra
- Fandresena ao amin’ny tontolo ara-panahy
- Fandresena amin’ny zava-misy iainantsika ankehitriny
- Fandresena amin’izay mety hitranga amin’ny ho avy
- Fandresena amin’ireo lalovana amin’ny fiainana
- Fandresena amin’ireo noforonina rehetra
Ao amin’i Jesosy dia azo antoka sy tsy misy tahaka azy ny fandresenao ry namako.
Tsy midika izany hoe tsy misy ny ady fa afaka azonao antoka fa tsy misy mahasaraka anao amin’ny fitiavan’Andriamanitra raha misafidy ny hifikitra Aminy amin’ny fonao manontolo ianao. Miady ho anao Izy ary maniry ny hitahy anao amin’ny lafiny rehetra! (and. 31-32)
Hiara-hizaha lalindalina izany fandresena izany isika anatin’ny andro vitsivitsy. Ary ho hitantsika ny fomba hiainana izany tokoa amin’ny lafim-piainantsika rehetra. Vonona ve ianao?