🙌🏻 Mandraisa anjara amin’ny maha-Andriamanitra Azy !
Tonga amin’ny faran’ity andian-dahatsoratra, momba ny fomba ahafahantsika mandray ny fampanantenan’Andriamanitra ity isika. Manantena aho fa nahazo hery sy aingam-panahy tamin’ny alalan’izany lohahevitra izany ianao ka feno finoana tsy mbola misy toy izany ny amin’ny Fampanantenany !
Tiako ity andinin-tsoratra masina momba ny fampanantenana ity satria milaza izy fa Andriamanitra dia “nanatanteraka tamintsika ireo teny fikasana sady soa no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiray amin’ny fomban’Andriamanitra amin’izany hianareo » (2 Petera 1:4)
Waouh ! andeha hodinihantsika sy halalinintsika izany andinin-tsoratra masina izany :
- Tsy iray na roa ny fampanantenana nataon’Andriamanitra, fa manome maro be Izy.
- Sarobidy ary lehibe indrindra izany fampanantenana izany : tiako ny fomba ampiasain’ny Baiboly io fampitahana io, izay manamarika fa mihoatra noho izay azontsika sainina izany…
- Ireo fampanantenana ireo dia misy tanjona ara-panahy manokana : araka ny hitantsika dia tsy ny hahazo fitahiana na Isaka fotsiny ihany no resaka eto fa manana drafitra lehibe lavitra Andriamanitra.
- Natao hanampy antsika hiaina misimisy kokoa ny Voninahitra sy ny natioran’Andriamanitra amin’ny fiainantsika andavanandro izy ireny : Waouh ! Noho izy ireny dia mitombo ny finoantsika, ary noho izany finoana izany dia manomboka mahita ny fahagagana sy ny asan’Andriamanitra mahagaga isika amin’ny andavanandro.
Mahavariana tokoa ny mahita ny herin’ny fampanantenan’Andriamanitra !
Ry namako, mifikira amin’ny fampanantenana tsirairay izay omen’Andriamanitra anao ao amin’ny Teniny !
Azonao raisina avokoa ireny, noho izany … aza avela handositra !
Ny tsirairay amin’izy ireny dia toe-javatra vaovao ahafahanao miaina ny voninahitr’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao !