🙌🏻 Fiadanana no avelako ho anareo. Omeko anao ny fiadanako!
Raha tsy maintsy manao sary hosodoko maneho ny atao hoe fiadanana ianao, inona no hataonao?
Indray mandeha aho dia nandre tantara momba ny mpanjaka iray izay naniraka roa tamin’ireo mpanao hosodoko tsara indrindra tao amin’ny fitsarana mba handoko ny sarin’ny fiadanana.
Ny tsara indrindra amin’ireo sary hoso-doko dia nahantona tao amin’ny efitranon’ny mpanjaka manokana, mba hahafahany hankafy izany isan’andro rehafa amin’ny fotoana mila mieritreritra iny izy.
Iray volana taorian’izay, dia namaly ny antson’ny mpanjaka ireo mpanao hosodoko roa ary nitondra tao an-dapa ireo asa-tanana izay vitany. Nandinika ilay asan-tanana voalohany ny mpanjaka : sary maneho ny hakanton’ny lohataona, voahodidin’ny saha maitso ary mivelatra manodidina ny farihy izay, toy ny taratra, maneho ny hamangan’ny lanitra mazava. Sady marevaka no matsatso ny loko. Tena asa-tanana kanto!
Afa-po tamin’io traikefa voalohany io ny mpanjaka, ka nifindra tamin’ny sary hosodoko faharoa. Sary maneho oram-baratra. Tao anatin’ny fahamaizinan’ilay sary hoso-doko dia hita taratra ny rivotra sy ny orana miatra eo amin’ny tany, izay niteraka fahasimbana maromaro.
Nivadibadika ny ranon-driaka, ary nihozongozona ny ravin-kazo noho ny hamafin’ny tafio-drivotra. Ary teo, tao amin’ny iray amin’ireo hazo ireo, dia nahitana vorona kely. Tao anatin’ny akaniny izy, ary nihira tamim-pifaliana mafy, tsy taitra tamin’izay rehetra nitranga nanodidina azy. Raha ny marina, dia nisy karazana hazavana namiratra tao aminy, izay maneho fa jiro tao anatin’ny haizina izy.
Nihetsi-po ny mpanjaka. Ity sary ity dia taratry ny fiainany manokana : ny fiadanana lehibe indrindra dia tsy hita amin’ny andro mahafinaritra amin’ny lohataona, fa ao anatin’ny tafio-drivotry ny fiainana.
Hoy Jesosy :”Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo” (Arakin’ny Jaona 14:27)
Ry namako, ny fiadanana dia tsy ny tsy fisian’ny tafio-drivotra, fa ny miaina fiadanana ao anatin’ny tafio-drivotra! Eo anivon’ny toe-javatra rehetra lalovanao, na dia ireo izay tena sarotra aza, dia afaka manapa-kevitra ny hifikitra amin’Andriamanitra ianao ary hihira ho Azy tahaka ilay vorona kely ao amin’ilay sary hoso-doko. Ny fiadanana sy ny fahazavana izay hivoaka avy aminao dia tsy hay ho ampitahaina !
Anio, mifalia noho ny fiadanan’Andriamanitra izay tsy manam-paharoa. Aza matahotra fa mijoro eo anilanao Izy.