🙌🏻 Eo anoloanao ny FAHAGAGANA
“Ny finoanao fa mahakisaka tendrombohitra ianao dia ny fahatokianao ny herin’ny tenanao”. Wow ! Nahita izany teny izany aho tany an-tranon’ny namako. Hoy aho hoe : Henjana izany teny izany !
Tsy vitan’ny hoe nangalarina avy tao amin’ny Baiboly izany teny izany fa navadika koa ho fisainan’olombelona mba hanafoanana ilay asan’Andriamanitra mahagaga eo amin’ny fiainantsika.
Araka ny dikan-teny tena izy nefa dia milaza izy hoe “Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no hilaza amin’ity tendrombohitra ity hoe: MifindrĂ , ka mianjerĂ any an-dranomasina, ka tsy hiahanahana ao am-pony, fa hino fa ho tonga ny zavatra lazainy, dia ho azony izany.” (Marka 11 : 23)
Ry namako, tian’Andriamanitra ny miditra an-tsehatra amin’ny fomba mahagaga eo amin’ilay tsy hahitanao intsony fa mbola afaka hiaina ny nofinofinao ianao, raha amin’ny fijerin’olombelona.
Tamin’Izy naniraka an’i Gideona mba hanafaka ny Israely, mba fantatrao ve ny tena nolazainy : “Maro loatra ny vahoaka eo aminao, ka tsy hanolotra ny Midiana eo an-tanany Aho, fandrao hirehareha amiko ny Isiraely ka hanao hoe : Ny tanako ihany no namonjy ahy.” (Mpitsara 7 : 2)
Tsy mampino ! Raha natahotra ny hiatrika ady i Gideon, dia nesorin’Andriamanitra taminy ny miaramila 12.000 isa… ary mbola nanana 10.000 isa izy, vonon-kiady !
Voafetra ihany ny fiarovan’olombelona ! Tsy misy afa-tsy ny fahatokisana sisa. Tsy matoky tena akory, fa matoky ny herin’Andriamanitra ! Ary izany no tian’Andriamanitra !
Ry namako, raha manontany tena ianao hoe fa nahoana, eo am-panatanterahana ny nofinofinao, misy fotoana tsy maintsy mionona amin’ny “ampahany” azonao ianao, fa mbola tsy feno sy tanteraka izany, ataovy am-pinoana izao vavaka izao hoe “Rainay izay any an-danitra, misaotra Anao aho satria HIAINA zava-mahagaga ! Misaotra ny amin’ny hanehoanao ny herinao amin’ny alalan’izay kely eo am-pelatanako. Misaotra ary manome voninahitra Anao aho noho izany! Hoderaina anie ny Anaranao ! Amen !”
Eo anoloanao ny FAHAGAGANA, ry namako !
Tsy noho ny herinao – fa noho ny Heriny !