🙌🏻 Ao anatin’ny Anarany ny fanasitranana !
Tamin’ny fiainany, Ny fahafatesany ary Ny fitsanganany tamin’ny maty no nanatanterahan’i Jesosy ny faminaniana samy hafa izay nomen’ireo mpanoratra ny Testamenta Taloha momba an’i Mesia.
Anisan’ny andalan-tsoratra masina tiako indrindra ao anatin’ny Baiboly ny Isaia 53. Rehefa mijery io toko ao anaty Baiboly io isika, dia afaka mahita andinin-tsoratra masina maro izay efa voasoratra an-jatony taona talohan’ny fihavian’i Jesosy, ary izay manondro antsipiriany manokana momba ny fiainany teto an-tany !
Anisan’ny tena nahakasika ahy tamin’io faminaniana io ilay miresaka ny fahorian’i Jesosy, tamin’ny nolazaina hoe “Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika” (Isaia 53.4)
Voatsikaritrao ve fa ny matoanteny amin’ity andalana ity dia efa tamin’ny fotoana lasa ? Hetsika efa vita izany : efa nentin’i Jesosy ny aretintsika ary efa nijaly nitondra ny fahoriantsika teo amin’ny hazo fijaliana Izy tao Kalvary, mba hanasitranana antsika. Mahafinaritra izany, sa tsy izany ?
Tsy fampanantenana ho amin’ny zavatra ho avy izany, na sosokevitra : hetsika efa natao teo amin’ny hazo fijaliana izany. Maty Jesosy mba hananantsika ny famonjena, ary koa mba hanome antsika ny fanasitranana.
Izany no voasoratra amin’ny andinin-tsoratra masina ery ambany hoe “ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika.” (Isaia 53.5)
Voatsikaritrao amin’izany fa mbola tamin’ny taona lasa ny matoanteny eto ! Ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika ! Amin’ny Anarany no misy ny fanasitranana !
Ry Namako, efa nandoa ny vidiny Jesosy ! Raha marary ianao, mifikira amin’izany fampanantenana izany ary ambarao eo amin’ny fiainanao izany. Avelao ny Teniny ho velona ao anatinao ary hanome finoana anao mba hahasitrana anao !