🙈 Ny haizina manodidina…

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🙈 Ny haizina manodidina…

Indraindray isika dia mahatsiaro ny antsipiriany sasantsasany amin’ny fahazazantsika.
Tsaroako indray andro, fony aho mbola zaza, dia niaraka nijery fahitalavitra tamin’ireo Ray aman-dreniko. Rehefa avy nanova ny fandaharana izy ireo dia nisitaka minitra vitsy tao an’efitra ambadika nandritra ny dokambarotra.
Rehefa tapitra ny dokambarotra farany dia nitohy ilay sarimihetsika nandeha teo amin’ilay fandaharana … ka tonga nanoloana tantara mampatahotra aho.
Tao anatin’ny segondra vitsy dia tsapako ny haizana nanjaka tao anatin’izany tantara izany. Nitondra rivo-piainana mahatahotra ireo sary sy mozika lafika ! Nanomboka nitomany sy nihikiaka aho noho izany, izay rariny raha jerena ny zava-nisy =)
Azonao an-tsaina ve hoe na dia efa an-taonany maro aza no nitrangan’izany dia mbola tadidiko ihany ankehitriny ? Io rivo-piainana maizina io mihitsy no ezahin’ny fahavalo ampiasaina eo amin’ny fiainantsika mba hanjakana amintsika sy hamoronana tahotra ao anatintsika.
Soa ihany fa mifanohitra amin’izany Andriamanitra : Izy, dia fahazavana. Ary mahatonga antsika hanana fahatsapana ho tsara ny fahazavana ! Raha ny marina dia izany mihitsy no toetrany. Noho izany, Izy dia fitiavana ary Izy koa dia fahazavana.

Milaza ny Baiboly fa « Andriamanitra dia mazava, ary tsy misy maizina akory ao aminy » (1 Jaona 1:5). Mangarahara tanteraka Andriamanitra. Tsy misy maizina na takona ao Aminy. Amin’ny alalan’ny fahazavana, dia mahatsapa ho voaro ianao, ary Izy no manentana anao sy mameno anao amin’ny Fiainany.
Ry namako, te hameno anao amin’ny Fahazavany sarobidy Andriamanitra anio. Maniry hanala izay endrika haizina rehetra eo amin’ny fiainanao izy, izay rehetra mampatahotra sy manozongozona anao. Te hampamirapiratra anao amin’ny Fanatrehany Izy. Mety ho toa tsy azo antoka aminao ny hoavinao amin’izao fotoana izao, kanefa fantaro fa ny fahazavana avy amin’Andriamanitra dia afaka manaisotra ny karazana haizina rehetra eo amin’ny fiainanao, ao an-tokantranonao, eo amin’ny firenenao. Ndao hiaraka hanambara fa i Madagasikara dia hamirapiratra eo ambanin’ny fahazavana sarobidin’Andriamanitra.
Anio, mifalia amin’ny fahazavan’Andriamanitra.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!