đ Mandosira!
Araky ny tohin’ny resantsika, dia niatrika fakam-panahy mahery vaika i Josefa, zanakâi Jakoba. Rehefa namidinâireo rahalahiny ho andevo izy, dia lasa mpitandrina ny tranonâny lehibeny. Nilamina tsara ny zava-drehetra, mandra-pahatongan’ny vadin’ny lehibeny naniry handry taminy imbetsaka.
Indray andro, nisambotra azy tamin’ny akanjony ravehivavy . Hoy ny Baiboly : âDia nisambotra azy tamin’ny akanjony ravehivavy ka nanao hoe : Avia handry amiko; fa navelan’i Josefa teo an-tĂ nany ny akanjony, dia nandositra izy ka nivoaka teny ala-trano.â (Genesisy 39:12).
Raha nijanona teo i Josefa, tsy nandositra, fa nifamaly taminy, niezaka nanazava taminy fa tsy mety izany, ary tsy tokony hanao izany izy ireo … dia mety tafajery tsikelikely ny hatsaran-tarehiny izy, ary nankafy ilay zavatra notadiavin-dravehivavy fatratra. Mety nanokatra lalana ao am-pony ahatanteraka ny fikasan-dravehivavy … ary aminâny farany, azo inoana fa tsy nahatohitra ny fakam-panahy izy.
Fa Josefa kosa dia hendry ; raha vao nanatona azy ravehivavy, dia nandositra izy. Alao sary an-tsaina ny fomba tsy maintsy nihazonanâio vehivavy io ny akanjony, ka nahatonga an’i Josefa nitanjaka niala tao aminâilay efitrano ! Tsy te hamela azy mihitsy ravehivavy ! xD
Toy izany indrindra no ataonâny ota eo aminâny fiainantsika : mifikitra mafy amintsika mba hitaomana antsika ho any aminâny faritaniny. Rehefa mitranga izany dia mialĂ , mandosira ! Imbetsaka ny ao amin’ny Baiboly no mitaona antsika handositra ny fahotana (1 Korintiana 6:18 sy 1 Korintiana 10:14 ,…)
Ry namako, tsy mila miady amin’ny fakam-panahy ianao : miala amin’izany fotsiny. Anio, manapaha hevitra ao am-ponao ny hiala amin’izay endrika fakam-panahy te-hiditra amin’ny fiainanao. Raha tonga ao an-tsainao ny fakam-panahy, dia avilio aminâny zavatra hafa ny eritreritrao. Raha misy toerana manokana maka fanahy anao dia mialĂ ary aza mijery izany akory. Ary raha misy olona fantatrao te-hisintona anao, dia manalavira azy ireo. Ho hitanao fa hahatohitra bebe kokoa hatrany ianao, ary hahatsapa ho afaka tokoa !
Rahampitso aho dia hizara fanalahidy iray hafa izay hanampy anao hanamafy orina ny efa nianaranao aminâny fomba entina mandresy ny fakam-panahy …
Fahagagana ny fisianao !