🙂 Mifantoha !
Tahaka ny zavatra rehetra izay mifandray amin’ny Fanjakan’ny lanitra, dia manana anjara toerana lehibe amin’ny fitadiavana ny antson’Andriamanitra ho an’ny fiainantsika ny vavaka.
Nitady ny lĂ lan’Andriamanitra i Paoly sy i Barnabasy. Ny Baiboly dia milaza hoe : “Ary raha nanao fanompoam-pivavahana ho an’ny Tompo sy nifady hanina ireo, dia hoy ny Fanahy Masina: AtokĂ ny ho Ahy Barnabasy sy Saoly hanao ny asa izay efa niantsoako azy.” (Asan’ny Apostoly 13:2). Dia tahaka izany no niantombohan’ny dia misionera nataon’i Paoly, ka nahatonga ny fiorenan’ny Fiangonana maro manodidina ny ranomasina Mediteraneanina.
Tena lehibe tokoa ny fiantraikan’ny antson’Andriamanitra, na ho an’ny apostoly Paoly na ho an’ny Fiangonana manontolo. Toy izany no zavatra mitranga rehefa mihaino ny feon’Andriamanitra isika ka mitandrina tsara izay tiany hambara amintsika.
Roapolo taona lasa izay, fony aho vao nahafantatra ny Tompo, dia nanomboka nitsiry tato am-poko ny faniriana ho fitaovana eo am-pelatanany. Tsaroako ny andro iray izay nivavahako mafy nandritry ny adiny iray mba hanehoan’ny Tompo ahy ny planiny ho an’ny fiainako. Nangetaheta fatratra an’Andriamanitra aho, tena nangetaheta.
Rehefa vita ny vavaka nataoko tamin’iny andro iny, dia nipetraka indray aho ary nitodika tany amin’ilay Baiboly nisokatra teo ambony latabatra ny masoko. Tsy teo amin’ilay pejy novakiako farany ilay izy no nisokatra. Ilay rivotra nitsoka avy teo ambaravarankeliko angamba no namadika ilay pejy, tahaka izany koa no niseho rehefa nitsoka mafy ny rivotra. Ireto andininy ireto no andininy farany hitan’ny masoko tamin’izay fotoana izay : “Tonga tamiko ny tenin’i Jehovah nanao hoe: Hatry ny fony ianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro, ary hatry ny fony ianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany ho an’ny firenena.” (Jeremia 1:4-5)
Nidoboka mafy ny foko ary tsapako hoe nisy tahaka ny afo midedadeda tato anatiko teo am-pamakiana izany Teny izany. Tsy tena azoko tanteraka ny tiany ambara, fa nisy Teny sasany nibahana tato am-poko. Ny mahavariana dia 20 taona aty aoriana, fantatr’Andriamanitra fa hizara ny Fony aho ary hifanerasera amin’olona maro samy hafa fiaviana amin’ny alalan’ny Fahagagana Isan’andro !
Ry namako, mifantoha ny amin’izay tian’Andriamanitra ambara aminao anio. Rehany ny vavaka ataonao, ary rehefa mivavaka ianao dia hahatsapa fanambarana mety hampitsimbadika ny fiainanao, sy hitondra anao ho amin’izay nanomanan’Andriamanitra ho anao. Ahoana raha maka fotoana ianao anio, hangataka amin’ny Tompo mba hanambara aminao ny fikasany ho an’ny fiainanao ? Te hampiseho izany aminao Izy !