đ Aza manahy!
Tadidinao ve ny andro nianaranao namoha sy nanidy varavarana?
Indraindray isika dia mamela varavarana hivoha eo aminâny fiainantsika, ary adinontsika fa tahaka ny ahafahantsika manokatra azy ireo dia afaka manidy izany koa isika.
Manantena aho fa afaka nanomboka nanidy ny varavaran’ny fanahiana eo amin’ny fiainanao ianao.
Andeha hatombotsika ny famakafakana ny fiandohanâilay andalan-teny hitantsika omaly, izay milaza hoe: âAza variana aminâireo karazan-dalana rehetra ary aza manahyâ. (Filipiana 4:6-7).
Tiako ity fanoharana iray ity, izay maneho ny olana eo aminâny fiainana toy ny rian-drano izay manindrahindra sy mitondra antsika aminâny ankavia sy aminâny ankavanana.
Ny tahotra sy ny tebiteby dia mitondra antsika hivezivezy amin’ny karazan-dalana maro mandra-pahavery hevitra sy mahareraka antsika. Raha toa ka avelantsika hitondra antsika ireo.
Toa tsy manana safidy hafa isika matetika: tsy afaka ny tsy hanahy. Raha ny marina, raha toa ka tsy miasa saina aminâny zavatra iray isika dia midika izay fa tsy dia mahaliana loatra antsika ilay zava-misy, na koa hoe tsy dia mandray andraikitra isikaâŠ
Kanefa avereno vakiana indray miaraka amiko ilay andalana. Hoy izy: âAza manahy âŠâ Ahoana no hahatanterahanâizany? Azo atao izany, satria tsy noforonina hiaina ao anaty tebiteby ianao!
Raha ny marina, rehefa manahy ianao, dia tsy vitan’ny hoe tsy mahavaha na inona na inona, fa manao ny mifanohitra amin’izany: mameno ny tenanao amin’ny tahotra sy ny korotan-tsaina, ary matetika izany no mitarika anao handray fanapahan-kevitra diso. Efa nitranga taminao ve izany? Ny ahy eny, ary efa matetika loatra!
Izany no antony tsy maintsy hanakatonantsika anio ny varavarananâ ny ahiahy manodidina antsika. Aza avela hanakorontana sy hanelingelina anao izy ireo! Manana fahefana amin’ny Anaran’i Jesosy ianao, hanapaka ny fangejany eo amin’ny fiainanao.
Ry namako, esory ny ahiahy rehetra anio!
Miahy anao Andriamanitra, ary manana vahaolana aminâny olanao rehetra Izy. Rahampitso indray ny tohiny đ