🙂 Afa-po amin’ny zavatra iainanao ve ianao ?
Tonga ny vanim-potoanan’ny Krismasy, dia miaraka amin’izay, ny fotoana manan-danja indrindra ao anatin’ny taona eo amin’ny lafin’ny asa, varotra, firariantsoa, fivoriam-pianakaviana…
Ny gadon’ny hafainganam-pandeha amin’ireny andro ireny, miaraka amin’ny dokam-barotra izay mandrakotra ny boatin-taratasy, eny amin’ny haino aman-jery, tsy lazaina intsony ny adidy ara-tsosialy…ireny rehetra ireny dia mety hisarika antsika hanao mihoatr’izay tokony ho ataontsika mandritra io vanim-potoana io : fihoaram-pefy amin’ny sakafo, fietsenana, asa…
Ny Baiboly milaza hoe ny Tompo “manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika” (1 Timoty 6:17). Ny Andriamanitsika tsy maniry antsika hiaina ao anatin’ny tsy fahampiana. Izay no mahatonga Azy malala-tanana amintsika !
Kanefa, tojo tsy fifandrindrana isika indraindray eo amin’ny fiainana ka tsy afaka mihanoka amin’izay ananantsika. Noho izay antony izay indrindra, ny tenin’Andriamanitra dia manome fanalahidy matanjaka ahafahantsika miverina amin’ny laonin’ny fiainana : ny fahafaham-po.
Matetika isika no manafangaro ny fahafaham-po amin’ny fahantrana, na hoe fanamaivanana ny maha zava-dehibe ny fananana ara-materialy, na indrindra koa, mampirisika hanana toe-tsaina tsy mivoatra na ihany koa tsy mandroso. kanefa, mino aho fa izany fahatakarana ny atao hoe fahafaham-po izany dia diso.
Ny fahafaham-po izay ambaran’ny Soratra masina dia tsy mamehy antsika mihitsy, ary tsy manasa antsika tsy hivoatra… Mifanohitra amin’izany aza, ny fanalahidin’ny fahafaham-po dia mitarika antsika ho “afa-po” amin’izay efa ananantsika, fa sady indrindra koa, mandrisika antsika hino sy handroso amin’ny tanjona sy ny fampanantenan’Andriamanitra ho antsika.
Eny, ry namako, ny fahafaham-po lazain’ny Baiboly dia manampy anao mba hankafy ny fotoana iainanao ! Vokatra lafatry ny fitambaran’ny fankasitrahana sy ny finoana izay ahafahanao miaina ao anatin’ny rindram-piainana tena tsara.
Mandritra ity herinandro ity, dia handalina io resaka io aho, mba ahafahanao mahita ny fiasan’ny fitahian’ny fahafaham-po ara-baiboly.
Mino aho fa mandritra ity vanim-potoanan’ny Krismasy ity, dia hankafia izany tsy mbola nisy toy izany ianao ! ;D