đ· Ny valanâaretinâny taonjato faha-20
Efa niaina adin-tsaina ao aorinanâny fialantsasatra ve ianao? Adin-tsaina izay tsapanao rehefa hiverina aminâny fiainana andavanâandro ianao ao aorinanâny fotoana fialantsasatra.
Volana âFidiranâny mpianatraâ ny Septambra. Aminâny firenenana maro, volana izay ao aorinanâny fialan-tsasatra lehibe, izay hiverenana aminâny asa aman-draharaha, satria miverina any an-tsekoly ny ankizy ary miverina ny fahazarana aminâny fiainantsika andavananâandro. Volana tena mampiasa saina ho anâny olona maro, indrindra tao aorinanâny valanâaretina izay nandrava izao tontolo izao, taminâny fanakorontanana ny zavatra rehetra izay nandalovany.
Ry namako, raha mahatsiaro miasa saina aminâizany tranga izany ianao, dia te hampahery anao ao : manana Ray izay tia anao sy mikarakara anao ianao. Tadidio ny lazainâny Baiboly : âKoa aza mitady izay hohaninareo na izay hosotroinareo ianareo, ary aza miahanahana. Fa ny jentilisa amin’izao tontolo izao dia fatra-pitady izany rehetra izany; fa ny Rainareo mahalala fa tokony ho anareo izany zavatra izany. Kanefa katsaho ny fanjakany; dia hanampy ho anareo izany zavatra izany.â (Lioka 12.29-31) Eny, mikarakara anao Andriamanitra, misafidiana tsy hiaina ao anaty adin-tsaina !
Maro no mihevitra fa ny adin-tsaina dia valanâaretinâny taonjato faha-20. Raha manakaiky ny fifidianana, aza ho isanâireo izay miasa saina, fa vakio ary ambarao mafy ny adinin-tsoratra masina etsy ambony. Matokia raha efa nitondra am-bavaka ilay toe-javatra ianao, Andriamanitra dia⊠ary hifehy izany.
Hivavaka isika : âTompo o, misaotra fa Ianao no Rainay sady mikarakara anay. Maniry aho ny hianatra misimisy aminâny andro ho avy, mba ho afaka tanteraka aminâny fiantraikanâny adin-tsaina eo aminâny fiainanay izahay. Aminâny anaranâi Jesosy. Amen!â
Ankafizo ity andro ity.