đ”âđ«Manana fahalemena ve ianao ?
Mahatsiaro tena matanjaka ve ianao? Mila ny Tompo hampahery anao ve ianao anio?
Ao aminâny sehatry ny fandraharahana dia matetika ny orinasa no manao ny fanadihadiana antsoina hoe âSWOTâ. Fantatrao ve ny dikanâizany? Teny fanafohezana izay midika hoe, raha adika aminâny teny Malagasy : Tanjaka – Fahalemena – Fahafahana – Fandrahonana. Ny tanjona dia ny hijery ny misy ny orinasa ahafahana manitsy sy manatsara.
Ny tena marina dia ny fijerena ny tanjaka sy fahalemena dia ilaina aminâny seha-piainantsika rehetra indrindra ny ara-panahy. Fantatrao ve inona no herinao? Inona no fahalemenao?
Zava-dehibe ny fahafantaranao ny fahalemenao mba hampahery anao ary indrindra tsy aharendrika anao anaty fandriky ny fahavalo. Fa tena mikatsaka ny hanararaotra ny fahalementsika foana izy.
Ity andinin-tsoratra masina ity dia tena nanome aingam-panahy ahy : ââŠizahay dia tsy mitsahatra mivavaka ho anareo.[âŠ]ary ampahatanjahina amin’ny hery rehetraâ (Kolosiana 1:9 sy 11):
â Afaka mifampitondra am-bavaka isika
â Te hampahery antsika Andriamanitra
â Ny heriny rehetra dia vonona ho anao
â Ny heriny dia feno ny Voninahiny.
Ry namako, tsy omenâAndriamanitra aminâny ampahany ny heriny fa atolony anao manontolo!
Anio dia mivavaka aho ny aminâny hamelanao ny Fanatrehany haneho anao izay tsy ampy eo aminao, ary ny mba hiainanao ny Heriny sy ny Tanjany hipololotra avy ao anatinao.
Taratry ny Voninahiny ianao ry namako.