đ´ Hafiriana ianao no natory?
Miasa tsy an-kijanona Andriamanitra, kanefa miaina ao anatinâny Fitsaharana tonga lafatra Izy. Ary fantatrao ve ? Te hizara aminao ity Fitsaharana masina ity Izy.
Amin’ny lafiny ara-batana, mila miala sasatra isika rehetra:
- Mila matory isika aminâny alina mba hiverenanâny erijika lany nandritry ny tontolo andro.
- Mila ny faran’ny herinandro isika (na andro tsy fiasana miankina amin’ny asantsika) mba hialana sasatra sy hialana aminâny mahazatra.
- Mila fotoana fialan-tsasatra isika, mba ahafahantsika miataka tanteraka sy manovo hery indray.
Ny fitsaharanâny vatana dia tena zava-dehibe amin’ny fiainantsika, fa misy fitsaharana iray izay tena ilaina kokoa: ny fitsaharanâny fanahy. Afaka matory adiny 10 isan’alina isika, miasa 3 andro isan-kerinandro fotsiny, ary manao fialan-tsasatra volana maromaro isan-taona mihitsy aza⌠Tsy misy na iray aza amin’ireo zavatra ireo afaka manome antsika ny tena fitsaharana anaty ilaintsika.
Hoy i Jesosy: âMankanesa atáťł amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.â ( Matio 11:28). Manampy antsika hahita zavatra aminâny lafin-tsarany i Jesosy ary mameno antsika ilay fiadanany tsy manampetra. Io fiadanana io dia mamela antsika hiala sasatra, ao anatinâny fahatokiana tanteraka anâAndriamanitra, na dia ao anatinâny tafio-drivotra mafy indrindra aza. Eny, ry namako, Andriamanitra dia maniry ny hanome fitsaharana ho anao! =)