😰🤯 Henatra ve sa tahotra ?
Efa naniry hiresaka momba an’Andriamanitra tamin’olona iray ve ianao nefa nony ny farany dia tsy afaka nanao izany indray ? Efa niainako imbetsaka izany, noho izany azoko tsara ianao…
Fantatsika rehetra ilay andalan-tsoratra ao amin’ny Baiboly izay itenenan’i Paoly Apostoly manao hoe : « Fa tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany… » (Romana 1:16). Kanefa raha ny marina dia matetika tokoa isika no sahirana miresaka momba an’Andriamanitra ary menatra kely mihitsy aza. Efa nanjo anao ve izany ?
Hitanao ? Mino marina aho fa tamin’ny ianao tsy nahasahy niteny dia tsy noho ny henatrao ny amin’Andriamanitra na ny Teniny, fa kosa noho ny tahotrao manoloana ny fomba tokony nitondrana ny resaka, na ny fomba namaliana ireo fanontaniana izay tsy anananao valiny … na angamba koa noho ny tahotra ny fihetsika ratsy mety ho nataon’ny olona.
Mahatonga antsika ho ketraka ny tahotra ary miteraka henatra ho an’ny tenantsika.
Saingy ny fahatsapana fanamelohana sy henatra isaky ny tsy mahasahy miresaka momba an’Andriamanitra dia tsy mitondra soa ho anao mihitsy. Vao maika hisintona anao hidina aza izany, ary izany no tian’ny fahavalo ! Tsia, ny fanalahidy eto dia ny fahafahanao mijery izay zavatra mihazona anao ary ny fangatahana fahendrena amin’ny Tompo mba hanitsianao ny tenanao :
- Mila torolalana ve ianao rehefa mijoro vavolombelona amin’ny hafa ?
- Tsy ampy fahasahiana miteny ve ianao ?
- Matahotra ireo fanontaniana mety hapetraka aminao ve ianao ?
- Te hanambara aminao izay ilainao ny Tompo.
Ry namako, rehefa resinao ny tahotra eo amin’ny fiainanao dia afaka manary ny henatra ianao. Izany no hahatonga anao ho olon’afaka ao anatinao, ka hahafahanao mitory amin’ny fomba mahomby kokoa ! Aza miampanga tena ary aza manamelo-tena fa miasa eo amin’ny fiainanao Andriamanitra ! Arakaraka ny hikatsahanao Azy no hahitanao ny Vahaolany sy hahatsapanao ho malalaka kokoa amin’ny fijoroana vavolombelona amim-patokiana sy amin-kalalahana.
Manà na faharetana ! Momba anao Andriamanitra ary tsy menatra anao Izy.