đ« Fanambarana, ary fahalavoana !
Mahagaga ny fomba fitazonantsika, tsy nahy, ny tsara na ny ratsy eo aminâny tontolo iainantsika
Ny Apostoly Petera no ohatra tsara indrindra aminâizany. Rehefa nanontany ny Mpianany izay lazainâny olona momba Azy Izy dia namaly tsy am-pihambahambana I Petera nanao hoe : âHianao no Kristy. ZanakâAndriamanitra velonaâ (Matio 16:16).
Nahazo izany fanambarana izany tamin’ny fanahiny izy, ary ny filazana nataony dia naneho ny maha-izy azy, ny fiainany manokana ary ny planinâAndriamanitra ho azy.
Fotoana fohy taorianâizay, io Petera io ihany, izay nandray ilay fanambarana avy any an-danitra sy niaina izany fotoana feno voninahitra izany niaraka taminâi Jesosy, dia nihevitra fa afaka ny handiso ny Tompony raha nanazava taminâizy ireo ny fomba hahafatesany sy hitsanganany aminâny maty ity farany.
Tao anatinâny faniriany hanampy Azy dia nieritreritra izy fa tokony hampiova hevitra Azy. Ary tsy fanahy iniany fa lasa fitaovana nampiasainâny haizina haminganana anâi Jesosy io lafiny maha olombelona te handray an-tĂ nana ny zava-misy io.
Hany ka tsy maintsy nanohitra ny fahavalo izay niteny taminâny alalanâI Petera I Jesosy nanao hoe : âAny ivohoko ianao, ry Satana; fahatafintohinana amiko hianao, satria tsy misaina izay an’ Andriamanitra hianao, fa izay an’ny olonaâ (Matio 16 :23).
Eny, indraindray isika mamela ny maha olombelona antsika hibahana ka lasa sakana tsy nahy ho anâny hafa sy ho anâny tenantsika. Izany no maha-zava-dehibe ny fitandremana sy ny fiambenana, araka ny lazainâny soratra Masina hoe : âKoa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavoâ (I Korintiana 10:12).
Ry namako, iaino anatinâny fanambaranâAndriamanitra ny andro rehetra, ary aza avela hanakana anao aminâizany ny fomba fanaonao sy ny fisainana maha-olombelona anao.
Anio, miaraka amiko ary amim-panetren-tena tanteraka, mangataha ny Fahendreny misimisy kokoa aminâny Tompo ka aoka Izy no hitantana ny dianao rehetra, ny asanao rehetra aminâny antsipiriany.