đ˘Aza mitomany intsony đ
Ahoana ny hevitrao momba anâilay ohabolana hoe : âIzay manantena, very fanantenana ?â Efa nisy fotoana niandry ela loatra ve ianao ka niafara taminâny fahakiviana ?
Raha izaho manokana, raha mbola azoko atao dia aleoko mamita mialoha ny zavatra tokony ataoko : raha mbola azoko atao anio dia aleoko tsy miandry ny ampitso ; ary raha mbola azoko atao izao dia izao dia aleoko tsy miandry rehefa avy eo =) Aminâny maha olombelona antsika dia sarotra ho antsika ny manana faharetana.
Hoy ny fahasambarana faharoa : ÂŤ Sambatra ny ory fa izy no ampifaliana ! Âť (Matio 5 :4) Andalan-teny mitovy aminâilay dikan-teny taminâny nampiasaintsika omaly : ÂŤ Endrey ny fifalianareo aminâny fiandrasana anâi Jehovah Âť (Matio 5 :4)
Eny ry namako, mandalo toe-javatra sarotra izay mampitomany sy mampikorotana antsika tokoa isika indraindray fa ao aminâi Jesosy no ahazoantsika fampiononana. Eny tokoa, hitanâi Jesosy ny fahorianao, ny zavatra hiainanao, ny andavanâandrom-piainanâny MalagasyâŚ. tsy misy miafina Aminy. Ary raha ao anatinâio toe-javatra lalovanao io ianao no manatona anâi Jesosy ary manapa-kevitra hiandry sy hatoky Azy dia hiova tanteraka ny zava-drehetra ! Ovainâi Jesosy ho fifaliana ny fahakivinao ary ho tsiky ny ranomasonao.
Io fanambarana izay hitantsika ao aminâny fahasambarana faharoa io dia manova ny zava-drehetra. Mankahery anao aho anio mba hametraka Aminy ny alaelonao sy hiaina ny Fifaliany : ÂŤ Tompo o, atolotro Anao anio ny ranomasoko, ny tebibetiko, ny alaeloko ary manapa-kevitra ny hanantena Anao aho. Ampio aho hisaintsaina ny Teninao. Te hifaly ao Aminao mandritry izao toe-javatra hiainako izao, satria fantatro fa manana ny vahaolana Ianao ary hasehonao ahy ny fomba hivoahako aminâizao. Ho Anao irery ny voninahitra ! Misaotra noho ny Fandresenao ! Misaotra tia ahy ! Aminâny anaranâi Jesosy, ilay Anarana amboninâny Anarana rehetra. Amen ! Âť
Anio, mitsahara ianao ary miandrasa anâi Jesosy. Te hanao fahagagana eo aminâny fiainanao Izy!