đĄ Aza malaky ho tezitra !
Efa sendranâny nalaky ho tezitra ve ianao ka niteny zavatra nanenenanao avy eo ? Mino aho fa samy efa nanao izany avokoa isika rehetra, ary fantatsika tsara fa tena mangidy ny tsironâizany rano izany.
Indray andro, nanomboka tsy nahita rano hosotroina intsony ny Zanak’Israely, nimonomonona sy nimenomenona tamin’i Mosesy izy ireo noho ny nivoahany avy tao amin’ny tany Egypta. Niseho tamin’i Mosesy Andriamanitra ka nilaza taminy izay tokony ho atao : mibaiko ny vatolampy mba hipoiranâny rano.
Tamin’izay fotoana izay, i Mosesy, ilay lehilahy faran’izay tony fo indrindra araky ny voalazan’ny Baiboly, dia nalaky ho tezitra. Tsy nanaraka izay nolazainâAndriamanitra taminy izy fa vao mainka indray namaly ireo vahoakanâIsraely hoe : âMihainoa, ry mpiodina: Moa amin’ity vatolampy ity va no hampivoahanay rano ho anareo?â (Nomery 20:10), sady novelesiny indroa ny vatolampy.
Nandritra ny fotoana fohy, navelany ho resinâny tsy faharetana sy ny fireharehana ary ny tsy fankatoavana ny tenany, ka niteraka vokatra ratsy tokoa izany. Tsy hoe very mandrakizay ny famonjena azy, fa ny fihetsika ratsy nataony dia nanakana azy tsy hamita ny asa nanirahana azy teto an-tany, ka tsy mba niditra tao aminâny Tany nampanantenaina izy. (Nomery 20: 11 – 12).
Izaho manokana, ao amin’ny fanarahako ny Tompo no nianarako tsikelikely ny hoe tsy afaka hanova olona aho : fa Andriamanitra ihany no afaka manova ! Ary manana ny fomba fiasany amin’ny tsirairay avy Izy. Tsy afaka mamela ny tenako hirona ho amin’ny fahatezerana aho, na ho masiaka aminâny fomba fiteniko, satria izany dia mety handrava ny asa rehetra izay amboarinâAndriamanitra amim-paharetana, ka lasa sakana ho amin’ny asany.
Ry namako, raha tsapanao fa mitady hipoaka ny fahatezerana, mitsahara kely ary mitonia aloha. Fantatro fa ny mahita ireo fihetsika sy fomba tsy rariny ataon’ny hafa dia tena mandratra, fa ny fihetsika tokana avy aminao koa dia vao mainka mety hanapotika ny FanjakanâAndriamanitra, mihoatra noho izay heverinao. Aza mety ho azonâny fandriky ny fahavalo ianao !
Banjino ny Lanitra, ary meteza ho heniky ny fiadananâny Tompo. Efa miasa ho amin’ny fiainanao sy ny fiainanâny hafa Izy.