😏 Matahotra ? Izaho ? Tsia ka ?

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 😏 Matahotra ? Izaho ? Tsia ka ?

Rehefa mieritreritra olona faka-tahaka amin’ny fananana herim-po, iza no tonga ao an-tsainao voalohany ? Ho ahy manokana, ny azoko sary an-tsaina voalohany dia ireny olona manao asa miafina itantsika amin’ny horonan-tsary mihetsika, ireny olona tsy matahotra mitsambikina avy eny ambony fiaramanidina ireny, na mihanika amin’ny trano avo be na koa miady amin’ny fahavalo 20 isa miaraka =).

Ireny olona izay nahavita asa goavana teo amin’ny tantara ireny dia nahavita niatrika ny tahotra tao anatiny.

Ny tahotra dia anisan’ny fitaovam-piadian’ny fahavalo mahery indrindra : manova ny fomba fijery ho ratsy ary mitondra antsika handray fanapahan-kevitra ratsy ihany koa ny tahotra.

Ny herim-po dia, tsy hoe fanaovana tsinontsinona ny tahotra, fa fiatrehana izany. Ahoana ary ny fomba ahafahantsika miatrika izany ? Amin’ny alalan’ny finoana.

Izany indrindra no nataon’ireo mahery fo amin’ny finoana, araka ny voalazan’ny Baiboly : “ izay nandresy fanjakana tamin’ny finoana, niasa fahamarinana; nahazo teny fikasana, nanakombona ny vavan’ny liona, namono ny fidedadedan’afo, afaka tamin’ny lelan-tsabatra, raha nalemy dia nampahatanjahina, tonga nahery tamin’ny ady, dia nampandositra ny miaramilan’ny firenena hafa.” (Hebreo 11:33-34)

Waouh ! Ny finoany no nahafahan’izy ireny nanatanteraka zava-mahagaga lehibe ho an’Andriamanitra, na dia teo aza ny fahalemeny sy ny tsy fahombiazany.

Eny, ry namako, ny finoana no mahatonga anao hanana herim-po ! Rehefa manana finoana ianao, afaka mandray fanapahan-kevitra ary manatontosa zavatra izay tsy sahinao natao amin’ny toe-javatra iray. Horesahintsika izay rahampitso.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!