😎 Izay tsy hitan’ny olona, na reny…

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 😎 Izay tsy hitan’ny olona, na reny…

Karazan’olona manana toetra tia karokaroka ve ianao ? Izaho manokana, dia tia ny fitiavan’i Daniela mahafantatra zavatra…
Ao anatin’ny bokin’i Daniela, rehefa avy nandray ilay fahitana lehibe farany izy, dia, nisy fotoana, nanatona ny iray tamin’ireo niseho taminy ary nanontany azy hoe momba ny inona izany.
Azonao an-tsaina ve ? Nametraka fanontaniana tsy nisy fanahiana toy ny hoe manontany lera amin’ny olona eny an-dalambe izy =)
Fotoana hafa iray ihany koa, any amin’ny faran’ilay fahitany, i Daniela dia nanotany hoe : “Tompoko Ă´, hanao ahoana no hiafaran’ireo zavatra ireo? Dia hoy izy: Andeha, ry Daniela, fa efa voahorona ny teny sady voaisy tombo-kase mandra-pihavin’ny andro farany…” (Daniela 12:8-9).
Tena tiako ilay valiny, fa indrindra rehefa miteny aminy Izy hoe : “Andeha (amin’ny fiadanana), ry Daniela…”!
Eny, mba ahazoana ny valin-teny avy amin’Andriamanitra, anisan’ny fanalahidy iray dia ny manontany Azy , ary amin’izany, i Daniela dia tena naharitra tokoa : tsy hoe amin’ny fangatahana ihany fotsiny, fa indrindra amin’ny fahatakarana ny dikan’izay valin-teniny. Noho izany antony izany, dia nifady hanina nandritry ny 3 herinandro izy, araka izay efa hitantsika omaly !
Tena nangetaheta ny handre ny feon’Andriamanitra i Daniela teo amin’ny fiainany, mihoatra ny zavatra hafa rehetra.
Ny fifandraisan’i Daniela amin’Andriamanitra dia tena akaiky, hany ka nanambaran’Andriamanitra zavatra tena mahatalanjona, ary ny sasany aza dia fambara ny ho amin’ny ho avy izy.
Ry namako, izany ihany koa no fifandraisana tian’Andriamanitra hananana aminao. Te hanambara zava-baovao aminao Izy, ka mba ahatanterahan’izany dia tena zava-dehibe ny fianaranao mihaino ny feony.
Araka izay voalazan’ny Baiboly manao hoe : “Izay tsy mbola hitan’ny maso ary tsy mbola ren’ny sofina, na niditra tao am-pon’ny olona, na inona na inona no efa namboarin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy” (1 Koritiana 2:9).
Eny, izany no zavatra nomanin’Andriamanitra ho anao ry namako.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!