đ Aza manaiky ho resinâny ratsyâŠ
Maniry aminâny foko manontolo aho fa manampy anao hiaina misimisy ny fandresenâAndriamanitra eo aminâny lafim-piainanao ity andiam-pampianarana ity. Aza adinoina fa : manoatra noho ny mpandresy ianao!đ
Ny fiainana dia feno karazana fanapahan-kevitra izay raisintsika isanâandro ary matetika dia tsy tsapantsika akory aza.
Ny Baiboly dia milaza amintsika hoe : âAza mety ho resin’ny ratsy ianao, fa reseo amin’ny soa ny ratsy.â (Romana 12:21)
Eny tokoa, misy ady foana eo aminâny fahazavana sy ny aizina, eo aminâny tsara sy ny ratsy. Fa ny vaovao mahafaly dia Jesosy Kristy efa nandresy ny aizina! Noho izany dia afaka mandeha ao aminâny Fandreseny foana isika.
Ny vaovao ratsy koa dia matetika na dia efa afaka mahazo izany fandresena izany aza isika dia avelantsika ny aizina hamitaka antsika aminâny lainga. Voatarika indray isika aminâny fahazaran-dratsy taloha, aminâny fomba fisainana taloha ary dia voasakana eo.
Ahoana ny fomba hiainantsika isanâandro ny fandresena izay efa azonâi Kristy? Aminâny fandraisantsika fanapahan-kevitra tsikelikely isanâandro.
Ny fanapahan-kevitra tsikelikely isanâandro tokoa no fanalahidy ho aminâny fandresena na ny faharesena.
Ny fiainantsika dia tambatry ny karazam-potoana, ary ny fanontaniana fototra dia hoe : ahoana ny ataonao?
- Ahoana ohatra no ataonao raha votsitra avy eny an-tananao ny vera ary vaky mipasaka?
- Ahoana ny mety ataonao manoloana ny fahadisoanâny mpiara-miasa iray, na manoloana ny fanehoan-kevitra ratsy na fanakianana ataonâny olona noheverinao ho namanao?
- Ahoana ny ataonao raha misy namana manao sangy ratsy na mamaky eso mombanâolon-kafa aminâny tambajotra sosialy ianao?
Ohatra vitsy ireo fa inoako fa azonao ny tiako hihaviana : mila mivonona foana isika handray ny fanapahan-kevitra mendrika indrindra.
Ao aminâireo fanapahan-kevitra tsirairay raisintsika ry namako dia misafidiana handresy ny ratsy aminâny tsara. Efa natolotrâi Jesosy anao ny Fandreseny!