đ Mianara afa-po !
Anisanâny zava-tsarobidy ao aminâny FanjakanâAndriamanitra ny hoe afaka mitombo hatrany hatrany eo aminâny lafim-piainantsika rehetra isika. Miasa ao anatintsika Andriamanitra, ary afaka manatsara hatrany ny atao sy ny fitondran-tenantsika isika, mba hahazoana ny fitahiany eo aminâio lafiny io !
Dia tahaka izany mihitsy ny fahafaham-po. Angamba tsy tsapanao izany fahafaham-po lalina izany, izany fahafaham-po izay asainâAndriamanitra hiainantsika izanyâŠ
Ny vaovao tsara dia azonao iainana tsara izany fahafaham-po izany. Ny Baiboly dia milaza fa afaka hianaranao ny miaina anâizany.
Izany no nolazainâny apostoly Paoly taminâny Filipiana : ââŠfa izaho efa nianatra tsy hierina na manao ahoana na manao ahoana.â (Filipiana 4:11)
Eny, azo ianarana ny fahafaham-po. Ny tena marina, tsy teorika ny fianarana azy fa aminâny fampiharana avy hatrany.
Isaky ny mandalo fotoan-tsarotra ianao, dia manana fahafahana vaovao hanombohana isaorana anâAndriamanitra fa eo akaikinao Izy, ary afaka mifaly aminâizay rehetra omeny anao aminâio andro io ianao.
Ry namako, araraoty ny fotoana rehetra hifalianao aminâAndriamanitra.
Na mora na sarotra ny zavatra lalovanao, mivavaka aho mba afaka hibanjina anâi Jesosy ianao, dia hilaza tahaka ny apostoly Paoly, ao aminâny andinin-tsoratra masina ao aloha ao : âMahay ny zavatra rehetra aho ao amin’ilay mampahery ahy.â (Filipiana 4:13)