đ Tsy menatra anao Andriamanitra !
Fahiny, ny ray aman-dreny dia nahasahy nanary ny zanany ary afaka nandroaka azy mihitsy aza raha manala baraka ny fianakaviana izy ireo noho ny toetrany.
Ny fahavalo dia mahatonga antsika hino mandrakariva fa tsy mendrika ny fitiavanâAndriamanitra isika. Mitady ny fomba rehetra izy, mba hampahatsiahy antsika ny tsy fahatanterahantsika, ary tiany hino isika fa mahamenatra anâAndriamanitra isika. Tsarovy fa ny paikadiny dia ny hanakivy anao mba hanakana anao tsy handroso, ary hampiasainy avokoa ny lainga sy ny fiampangana rehetra.
Soa fa tena hafa ny Andriamanitsika. Tsy menatra anao Izy, na dia eo aza ny tsy fahombiazanao sy ny tsy fahatanterahanao.
Jereo izay nolazainâi Jesosy taminâny mpianany. Fantany fa handiso fanantenana Azy avokoa izy rehetra, fa taminâiny alina iny, dia hoy Izy taminy : âAo an-tranonâny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa.â (Jaona 14:2-3).
Eny, ry namako, Andriamanitra tsy menatra anao. Tsy handroaka anao Izy, ary efa nanomana trano ho anao any an-danitra mihitsy aza Izy mba hahafahanao hitoetra eo akaikiny mandrakariva !
Hoy ny Baiboly: âFa iray no nihavianâizy roroa, na Izay manamasina, na izay hamasinina; koa izany no tsy mahamenatra Azy hanao ireo hoe: rahalahy.â (Hebreo 2:11).
Eny, marina tokoa izany, mbola tsy tonga lafatra ianao. Mbola miasa ho aminâny fanamasinanao ny Tompo, fa aza adino fa na dia eo aza ny tsy fahatanterahanao dia tsy menatra anao Jesosy. Raha ny marina, ity andalan-tSoratra Masina ity dia milaza fa toy ny rahalahiny na anabaviny no andraisany anao. Izany no herinâny fanekeny sy ny fitiavany anao !
Rehefa te hanafika anao ny fanahinâny fahamenarana dia tsarovy fa miasa eo aminâny fiainanao Andriamanitra, ary tsy menatra anao Izy. Tano mafy izao fahamarinana izao ary mandrosoa hatrany !