😊 Resaka fahatokiana ilay izy !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 😊 Resaka fahatokiana ilay izy !

Feno tranga tsy ampoizina ny fiainana, sa tsy izany ?
Fony aho mbola kely, tsaroako fa tsy dia nanam-bola loatra ny fianakaviako, fa na teo aza ny tsy fahatombonana, dia nahatsiaro tena voaaro aho. Fantatro hoe miaraka amin’ny raiko aho, dia tena mihoatry ny ampy izany ho ahy. Na rehefa nisy zavatra lasa nivadika ratsy na koa nisy olana, nijanona nahatoky ny raiko foana ny foko, satria fantatro fa amin’ny farany, dia resinay miaraka ireny toe-javatra ireny.
Ry namako, Andriamanitra no rainao, ary tena afaka mahatoky Azy ianao. Jesosy nilaza : “Fa iza moa aminareo izay ray, raha angatahan’ny zanany mofo, no hanome azy vato? ary raha angatahany hazandrano, no hanome azy menarana ho solon’ny hazandrano? Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy?” (Lioka 11:11-13).
Tsy manolo-bato anao Andriamanitra, tsy mandefa menarana misy poizina. Tsia, ry namako ! Ny fahavalo no te hangalatra, te hamono sy hanimba anao. Mba ahatongavany amin’izany dia ampiasainy daholo ny varavarana misokatra eo amin’ny fiainanao. Fa Andriamanitra, kosa, te hitahy anao ! Ray tena, tena tsara Izy, manampy anao, hiatrika ny zava-tsarotra rehetra. Tsy hamela anao ho irery mihitsy Izy !
Raha sitrakao, iaraka hivavaka isika amin’izao fotoana izao ? “Tompo o, tsy ho takatry ny saiko avokoa ny zavatra mitranga eo amin’ny fiainako, fa mahatoky Anao amin’ny foko manontolo aho, ary misafidy ny hifikitra Aminao. Aiko fa Ray tena tsara Ianao, ary tsy misy afaka hampiova hevitra ahy ny amin’izany. Mahatoky Anao aho amin’ny fianako iray manontolo. Ampio aho, hanana ny fijerinao amin’ny zavatra rehetra, handeha eo anilanao ! Amin’ny anaran’i Jesosy, amen !”

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!