đ Miavaka ianao !
Ny Baiboly dia isanâireo harena lehibe nomenâAndriamanitra antsika nandritra ny taon-jato maro.
FantatrâI Josia mpanjaka tsara izany. I Josia, zafikelinâI Manase sy zanakâI Amona, dia nahita ny fiovana niainanâny raibeny sy ny faharavana tampoka nanjo ny rainy rehefa niziriziry taminâny fahazaran-dratsiny izy.
Nanana fanapahan-kevitra lehibe i Josia : naniry hanaraka anâAndriamanitra izy. Niasa fatratra izy mba hampanjavona ny sampy rehetra. Nampanarina ny tempolinâI Jerosalema izy. Taminâizany indrindra no nisehoanâny tsy nampoizina : hita indray ireo bokinâny LalĂ na izay very. Rehefa hita ireo bokinâny LalĂ na ireo, dia nanetry tena teo anatrehanâAndriamanitra I Josia ary nangataka izy mba hovakiana ho anâny vahoaka izany. Nanomboka taminâio fotoana io, dia nampody izay rehetra voasoratra tao aminâny LalĂ na izy, ka nitodika taminâAndriamanitra ny olona rehetra. Milaza mihitsy aza ny Baiboly fa ny Paka nankalazainâi Josia no Paka niavaka indrindra teo aminâny tantara !
Eny, milaza ihany koa ny Baiboly fa : « tsy nisy mpanjaka tahaka azy teo alohany, izay niverina ho amin’i Jehovah tamin’ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra sy ny heriny rehetra araka ny lalĂ n’i Mosesy rehetra; sady tsy nisy tahaka azy intsony niseho tao aoriany. » (2 Mpanjaka 23:25)
Ry namako, ny hetaheta anâAndriamanitra sy ny Teniny dia manomana anao handray ny fitahianâAndriamanitra. Mitady olona mitodika Aminy aminâny fony manontolo Andriamanitra : izany mihitsy no nampiavaka anâi Josia mpanjaka⊠Ary izany koa no hampiavaka anao.
MamelĂ ahy hivavaka ho anao : âTompo o, mivavaka ho anâity namako ity aho, ary mivavaka ho ahy ihany koa : areheto aminâny afonâny Fitiavanao izahay ! Aoka hitady anao tsy ankiato ny fonay. Ampiasao izahay mba ho fitahiana ho anâny manodidina anay. Misaotra aminâny zavatra rehetra ry Andriamanitro ! Aminâny AnaranâI Jesosy. Amen !â