đ Hahomby ianao !
Efa nandeha taminâny orana mivatravatra aminâny andro mafana ve ianao ? Raha eny dia tena lena hatrany an-tampon-doha hatrany am-paladia angamba ianao⊠Tena mahafinaritra sy mamelombelona izany !
Ny Baiboly dia milaza fa ny TeninâAndriamanitra dia tahaka ny ranonâorana miraraka aminâny tany ary mamokatra foana. Tsy miverina Aminy foana, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrapony ary ambinina amin’izay ampandehanany azy. (Isaia 55.10-11).
Tahaka izany ny TeninâAndriamanitra eo aminâny fiainanao : mahatanteraka ny Sitrapony foana, izany hoe manome ny Fiainany ho anao, mameno anao aminâny Fanatrehany, mamelombelona anao aminâny Teny Fampanantenany, hameno anao aminâny fifaliany, hanala izay ratsy rehetra ao aminao.
Izany no vokatry ny TeninâAndriamanitra rehefa mikasika ny fontsika. Izany no nahatonga anâAndriamanitra niteny anâity taminâizy nanendry anâi Josoa mba hitondra ny zanakâIsraely any aminâny Tany nampanantenaina : âAoka tsy hiala amin’ny vavanao ity bokin’ny lalĂ na ity, fa saintsaino andro aman’alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin’izany dia hahalavorary ny lalanao ianao sady hambininaâ (Josoa 1.8)
Anisanâny andinin-tsoratra masina malaza ao anaty Baiboly izy io. Ho azonao izany rehefa misaintsaina izay lazainy ao anatinâilay TeninâAndriamanitra ianao :
Hazony eo akaikinao mandrakariva ny TeninâAndriamanitra
Saintsaino andro amanâalina.
Aza miala aminâizay lazainy.
Ary ireto ny fampanantenana mifamatotra aminâizany :
Hahomby ianao aminâizay ataonao rehetra
Ambinina ianao aminâny zavatra rehetra.
Waouh ! Ry namako, mampahomby anao aminâny zavatra rehetra ny TeninâAndriamanitra. Mamporisika anao aho hamaky izany minitra vitsivitsy isanâandro, hisaintsaina izany ary hamela ny Tompo hiresaka aminao aminâny alalanâizany : ho kanto tokoa ny vokatrâizany eo aminâny fiainanao. Maninona moa raha atomboka aminâizany ity taona vaovao ity?
Mirary taona feno fitahiana ho anao ry namako.