đ MizarĂ amin-kery !
Mahaliana tokoa ny mandinika ny fiantraikanâny fiangonanâny Asanâny Apostoly taminâny tontolo manodidina azy !
Raha vao nandray ny famangianâny Fanahy Masina ny mpianatra dia nanomboka nisy zavatra niova ho anâizy ireo. Nanomboka nanao zavatra tsy nahazatra azy ireo izy :
- Nitory ampahibemaso ny fahagagana nataonâAndriamanitra izy ireo (Asanâny Apostoly 2:11).
- Nanomboka nitory anâi Jesosy tsy nisy tahotra izy ireo (Asanâny Apostoly 2:14).
- Tena feno ny Hery sy ny FanatrehanâAndriamanitra ny fitorianâizy ireo ka nahakasika ny fonâny olona (Asanâny Apostoly 2:14).
Vokatrâizany dia olona marobe no nanolotra ny fiainany ho anâI Jesosy nandritra ny fitoriana voalohany nataonâI Petera. Milaza tokoa ny Baiboly fa âizay nandray tsara ny teniny dia natao batisa: ary tokony ho telo arivo no olona vao nanampy ho isany tamin’izany andro izanyâ (Asanâny Apostoly 2:41).
Tsy ratsy kosa izany raha toriteny voalohany imasom-bahoaka ! =) Saingy mazava ho azy hoe tsy kisendrasendra izany fa vokatry ny fotoana nivavahanâizy ireo andro maro talohanâizay tao aminâny efitra ambony sy ny Fanahy Masina izay niasa taminâny alalany tamin-kery.
Ny tenintsika, izay tarihinâny Fanahy Masina dia manana fahefana mahagaga manova olona. Izany no mahatonga anâAndriamanitra nankahery anâi Paoly apostoly ary mankahery antsika ihany koa raha milaza hoe âAza matahotra, fa mitenena ihany, ka aza mangina ⌠fa manana olona maro aminâity tanĂ na ity ahoâ (Asanâny Apostoly 18:9-10).
Ry namako, fotoana izao izarana amin-kery izay nataonâAndriamanitra taminâny fiainanao ary amelana ny Fanahy Masina hiasa aminâny fiainanâny olona.
Afaka andro vitsivitsy dia hizara loharano aminao aho, izay inoako fa hitondra revĂ´lisiĂ´na ho anao mba hiainanao ny finoanao aminâny fomba feno fahavelomana sy sahy kokoa.
Aza miala lavitra fa ho fanomezana hitondra fitahiana lehibe ho anao izany ! đ