😃 Ny hoe “tsy mbola” tsy midika hoe “tsy hitranga”

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 😃 Ny hoe “tsy mbola” tsy midika hoe “tsy hitranga”

“Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy, Ary tsy misy voany ny voaloboka, Na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva, Ary tsy mahavokatra hohanina ny saha, Na dia vonoina aza ny ondry ao amin’ny vala, Ary tsy misy omby ao am-pahitra, Nefa izaho dia mbola hifaly amin’i Jehovah ihany Sy hiravoravo amin’Andriamanitry ny famonjena ahy.” (Habakoka 3:17-18)

Andininy mahakivy re izany ! Toe-javatra mahakivy re izany ! Raha fintinina dia tsy misy na inona na inona afaka mampahery an’i Habakoka, na dia eo aza ny fandraisany anjara, na dia eo aza ny asa mafy nataony. Tsy misy, tsy misy mihitsy !

Efa niaina izany koa ve ianao ry namako ?

Azo atao mifanaraka amin’ny andavanandrom-piainanao io andininy io hoe : “Ny asako tsy mba nitondra vokatra nandrasana, tsy mahavelona ahy ny fahaleovantenako.  Na dia teo aza ny vavaka rehetra nataoko, tsy mba niaina zava-mahagaga aho…”

Mahatsikaritra zavatra amin’io tenin’Andriamanitra io ve ianao ry namako ? Teny tokana aorianan’ny fitarainana nataon’i Habakoka ? “Nefa”.

Nametraka teny kely i Habakoka, izay tena mafonja, eo antenantenan’ny fahoriany : “Tsy misy na inona na inona hita intsony”, kanefa nanantena izy fa mbola hahita ihany indray andro any !

Nisafidy ny hampifaly an’Andriamanitra izy, nandritra ny faharetany, sady nametraka tanteraka ny finoany sy fanantenany Taminy. Izay no nanosika azy hilaza hoe : ”Nefa izaho dia mbola hifaly amin’i Jehovah ihany Sy hiravoravo amin’Andriamanitry ny famonjena ahy.” (Habakoka 3:17-18)

Mahafinaritra be ahy ny dikanteny Alemana, satria mazava kokoa ny ambarany manao hoe :

“TSY MBOLA mamoa ny aviavy, TSY MBOLA afaka mijinja oliva isika ary TSY MBOLA maniry ny voa.

Izay manambara mazava fa misy ny faharetana, fahatokisana zavatra izay TSY MBOLA hita maso kanefa ho avy!

Ry namako, rehefa mibanjina amim-pinoana ny zavatra mbola tsy hita maso ianao, dia ataon’Andriamanitra ho tanteraka izay tsy hita!

Inona no antenainao Aminy ?  Inona no dikan’ny hoe “tsy mahita na inona na inona intsony izahay?” na koa “tsy mbola mahita izahay?”. Mamporisika anao aho haneho hevitra toa an’i Habakoka, hihira, hivavaka anio :Nefa izaho mbola hidera an’Andriamanitro satria hamonjy ahy Izy! Izy Tompo no antom-pifaliako!

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!