😃 Manao ahoana ny toe-ponao anio ?

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 😃 Manao ahoana ny toe-ponao anio ?

Te ho sambatra ve ianao, ry namako ?

Tsara izany fanontaniana izany. Isika manko tsy nisafidy ny halahelo tsotra izao fotsiny. Fa matetika dia noho ny zavatra mitranga amintsika izany. Tsy hoe loza mahatsiravina koa anefa. Fa indraindray taratasy avy amin’ny fampadoavana hetra 
 dia izay, latsaka ambany ny toe-pontsika.

Misy fomba fiteny izay hoe : “Ambany be ny toe-poko androany.”

Efa nanontany tena ve ianao hoe maninona isika no miteny an’izany ? Raha ho ahy manokana, apetrako any amin’ny “faran’ny ambany indrindra” amin’ny tranoko – lakavy – ny entana rehetra tsy tiako hipetrapetraka ao an-dakozia ohatra.

Nefa, misy fotoana ilaiko ireo entana ireo dia tsy maintsy midina any amin’ny lakavy aho hampiakatra azy indray. Tsy dia mazoto loatra ho amin’izany aho, fa ataoko ilay izy satria ilaiko ilay any amin’ny “faran’ny ambany indrindra”.

Ry namako, raha latsaka “ambany” ny toe-ponao, dia mety mila mandeha amin’iny lalana izay tsy tianao andehanana iny mihitsy angamba ianao mba hampiakarana azy indray !

Rehefa nitaraina nitady famonjena tamin’Andriamanitra i Habakoka, dia tsy namaly Andriamanitra hoe : “Tadaaaa, ity ny vahaolana !” haha !!! Tsia, namaly Andriamanitra hoe : “Jereo any amin’ny jentilisa, ka diniho, ary gagĂ  dia gagĂ ;” (Habakoka 1.5)

Tsy nisy zavatra tsara anefa teo amin’ny olona … nahoana ary no tian’Andriamanitra hojeren’ny olona izany ? Noho ny antony roa, ry namako : 

  • Voalohany indrindra, eo amin’io eritreretinao fa tsy misy afa-tsy zavatra ratsy ankehitriny io dia misy zavatra tsara foana !
  • Faharoa, satria izay toa tahaka ny ratsy ankehitriny dia tany tsara indrindra ho an’ny fahagagana manaraka amin’Andriamanitra, izay hideranao Azy tsy ho ela !

Ry namako, na dia “ambany be” ary ny toe-ponao anio, dia tadidio ny hamoaka izany, amin’ny fitadiavana azy any amin’ny lakavy sy ny hijery ny trangan-javatra eo aminao amin’ny maso misokatra. Eny, mitandrema koa amin’izay “mety tsara” anio ary hinoy fa Andriamanitra dia hitondra fahagagana amin’ny faharatranao ankehitriny !

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!