đ Aza manahy ianao
An-dranomaso no anaovako ny fizarana androany. Te hilaza ny marina aminao aho, ry namako, te hanambara izay tena tsapako lalina.
Teo am-panoratana fizarana vaovao ho anâny âFahagagana Isan’androâ aho, sady miezaka hatrany ny mamaha ireo olana nisy anikeo maraina, no indro nisy nandondom-baravarana mba hilaza amiko ny olana manaraka indray ! Efa niaina izany koa ve ianao ry namako ?
Indrindra rehefa nandray fanapahan-kevitra âhendryâ iny, rehefa te hanolo-tena ho amin’ny asanâAndriamanitra, na inona na inona mety ho vokany⊠mino aho fa tena miombon-kevitra aminâizany ianao !
Tsy tsiambaratelo akory ity : Izay tapa-kevitra ny hiasa mba hiaina ilay nofy napetrakâAndriamanitra ao am-pony dia tsy maintsy hiatrika ny tafio-drivotra mandrakariva. Misy antony matoa voalaza ao aminâny Jaona 10.10 ny hoe âNy mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be.â (Jaona 10:10)
Tsy mahafinaritra antsika ny maheno izany Teny izany, saingy izany indrindra no zava-misy rehefa tapa-kevitra ny hiroso lalina amin’ny nofy nomen’Andriamanitra anao ianao. Te hilavo lefona ianao !
Izay mihitsy koa no nahazo ahy anikeo maraina. Te hitomany aho, te hilaza hoe âAmpy izay !â Kanefa, tsarovy MANDRAKARIVA ny fampanantenana nataonâAndriamanitra. Ilay fampanantenana nataony tamin’i Gideona, rehefa nitanisa antony amanâarivony tsy ahafahany manatanteraka ny asany izy. âDia hoy Jehovah taminy: Homba anao tokoa Aho, ka hamely ny Midiana toy ny famely olona iray monja ianao.â (Mpitsara 6 :16)
Raha teo am-pamakiana izay andininy izay aho, ary mbola tanaty ahiahy dia nahatsapa toy izao : Ny marina dia olana IRAY izany – fa TSY olako!
Ry namako, tsy ilaina ny miasa saina amin’ireo olana be dia be mahazo anao, izay tsy inona fa tokana ihany !
Ny mpangalatra mitady handringana anao, fa Andriamanitra kosa manandratra anao. Nanome toky fa hanampy anao Izy ry namako.
âary apetraho Aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo.â (I Petera 5 : 7)