🗺 Ny sarintan’ny harena miafina…
Fony ianao mbola kely, efa nanonofy hahita sarintan’ny harena miafina ve ianao? Izaho manokana dia mieritreritra fa tamin’ny fahazazantsika, dia samy nanana izany faniriana hanao aventure izany isika rehetra, ary hahita harena nafenina.
Rehefa mandinika an’izany isika, dia marina fa toa efa lavitra antsika izany ankehitriny, indrindra rehefa feno fahasahiranana sy feno ny lisitr’ireo asa miisa 50 000 tokony hataontsika ny zava-misy iainantsika andavanandro.
Raha ny marina, dia manana harena voatahiry ho antsika Andriamanitra. Eny, manana harena miafina izay tiany hambara amintsika. Efa nieritreritra an’izany ve ianao?
Milaza tokoa ny Baiboly fa “Izay iafenan’ny rakitry ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra.” (Kolosiana 2:3).
Eto amin’ity izao tontolo izao ity, dia tsy misy zavatra sarobidy kokoa noho ny fahendren’Andriamanitra. Noho ny fahendren’Andriamanitra, dia afaka mahatsapa ny fahadisoantsika isika, mandray fanapahan-kevitra tsara ary mandalina ny misterin’Andriamanitra.
Amin’ny alalan’ny fahendrena no ahafahantsika mahita ireo harena rehetra ireo, mitahiry izany ao am-pontsika, ary talanjona rehefa manondraka antsika ny fitahian’Andriamanitra.
Eny, ry namana, ny fahendrena dia harena! Ary sarintany ihany koa mba ahafahanao mahita ireo harena hafa efa nomanin’Andriamanitra ho an’ny fiainanao.
Noho izany, mandritra ity herinandro ity isika dia hiresaka momba ny haren’ny fahendrena ho an’ny fiainantsika, izay hanampy antsika hitombo amin’ny fahendren’Andriamanitra tsy mbola nisy toy izany. Vonona ve ianao ?
Harena ianao!