🗨️ Manana fiadiana miafina Andriamanitra !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🗨️ Manana fiadiana miafina Andriamanitra !

Alaivo sary an-tsaina hoe misy olona manatona anao eny an-dalana ary manontany tampoka anao hoe : “inona ny karazam-bokatra entin’ny fiainanao ?” Mety ho zavatra tsy mahazatra mihitsy izany, fa raha tsy maintsy mamaly eo noho eo ianao dia inona no tonga voalohany ao an-tsainao ? Inona ny karazam-bokatra entin’ny fiainanao ? Makà segondra vitsivitsy handinihana izany mialoha ny hanohizanao ny vakiteny.

Manohy ny Jaona toko faha-15 Jesosy manao hoe : “Ny sampany rehetra eo amiko izay tsy mamoa dia esoriny; fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia amboariny [dioviny], mba hamoa bebe koakoa. Efa madio rahateo hianareo noho ny teniko, izay nolazaiko taminareo” (Jaona 15:2-3).

Tsy fantatro izay valiny tonga tao an-tsainao tamin’ilay fanontaniana napetraka teny am-piandohana, fa matetika ny fahavalo dia miezaka ny hahatonga antsika hino fa tsy misy vidiny isika. Raha maka ohatra amin’ny voaloboka sy ny sampany isika, dia miezaka mandresy lahatra antsika ny fahavalo fa tsy mahomby isika ary tsy hamokatra na oviana na oviana ireo rantsana lehibe sy tsara tarehy tahaka ireo sampana hafa. Miezaka miampanga antsika izy ary mampisafotofoto antsika mba hahatonga antsika hanahy fa mandĂ  antsika Andriamanitra satria tsy mitondra vokatra isika. Efa nitranga taminao ve izany ? 

Ny fahavalo dia mampiasa mandrakariva ny fiampangana, ny fanamelohana ary ny lainga mba hiezahany hanjaka amintsika. Manana fiadiana miafina anefa Andriamanitra handravana izany zavatra rehetra izany eo amin’ny fiainanao dia ny Teniny izany. Miteny aminao amim-paharetana Izy mandritra ny fotoam-pamakiana ny Baiboly, any am-piangonana, eo amin’ny fiainanao andavanandro…Ary manantena aho fa miresaka aminao ihany koa Izy amin’ny alalan’ny hafatro anaty Fahagagana Isan’Andro ! =) Amin’ny Fahamarinany dia manadio anao Andriamanitra, mba hahatonga anao ho afaka hatrany hatrany amin’ireo lainga izay manandevo anao, ary hahatonga ny lafim-piainanao rehetra ho tondraky ny vokatra. Tsy mahafinaritra ve izany ?

Ry namako, manadio anao amin’ny Fahamarinany Andriamanitra ! Mihainoa ny feony mandritra ity andro ity ary avelao hanova anao ny Teniny.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!